Ny Nosy Marsaly na ny Repoblikan' ny Nosy Marsaly, dia vondronosy sy fanjakana ao Mikrônezia, any Ôseania. Ity vondronosy ity dia any atsimo-andrefana amin' ny Ranomasimbe Pasifika Avaratra, any atsinanan' ireo Nosy Carolines, any avaratra-avaratra-andrefan' ireo Nosy Gilbert, atsimo sy atsimo-atsimo-atsinanan' i Wake ary atsinanana-atsimo-atsinanan' i Marianas Avaratra. Foronina nosin' afotroa sy nosikelin-karan-dranomasina izy. Nanjary fantatra eran-tany izy amin’ ny maha toeram-panandramana noklearin’ i Etazonia izy (ana habakabaka sy an-tanety) tamin' ny taompolo 1950 sy 1960. Nekena tamin' ny fomba ôfisialy ny fahaleovantenany avy amin' i Etazonia tamin' ny taona 1990.

Sainan' ny Nosy Marsaly
Ny Nosy Marsaly ao amin' ny Bolantany

Atao amin' ny teny marsaley izy dia atao hoe Aleōn in M̧ajeļ, M̧ajeļ sy Aolepān Aorōkin M̧ajeļ; fa amin' ny teny anglisy kosa dia atao hoe Marshall Islands sy Republic of the Marshall Islands.

Jereo koa hanova