Fiteny ao Ôseania

(tonga teto avy amin'ny Fiteny any Ôseania)

Ny fiteny ao Ôseania dia ny fiteny tenenin' ny mponina any Ôseania izay hita indrindra ao amin' ny vondrona telo lehibe: ny fianakaviam-piteny aostrôneziana, ny fitenin' ny tompon-tany ao Aostralia ary ny fiteny papoa. Ny mpanjana-tany koa dia nitondra ny fiteniny tao amin' io faritra io, indrindra ny fiteny anglisy sy ny fiteny frantsay.

Sarin-tany maneho an' i Ôseania

Fitenin' ny tompon-tanin' i Aostralia hanova

Ny fitenin' ny tompon-tanin' i Aostralia dia vondrom-pianakaviam-piteny maro miampy fiteny manirery maro ao Aostralia sy ao amin' ny nosy manodidina, afa-tsy i Tasmania. Ny ankamaroan' ny fitenin' ny tompon-tanin' i Aostralia dia azo avondrona anatin' ny fianakaviam-piteny pama-niongàna, izay ahitana ny 90 %n' ny velaran-tanin' i Aostralia. Ny sisa hafa dia mitsinjara amin' ny fianakaviam-piteny miisa 27 izay hita any amin' ny faritra farany avaratr' io nosy io, misabaka amin' i Aostralia Andrefana sy ny Territoire du Nord ary i Queensland, izay ivangongoan' ny fianakaviam-piteny maro samy hafa. Tandindomim-pahafatesana ny ankamaroan' ny fitenin' ny tompon-tanin' i Aostralia.

Fiteny aostrôneziana hanova

 
Fiteny ôseanika

Ny fiteny aostrôneziana dia tenenina any Ôsenia koa, dia ny fiteny ôseaniana, indrindra ny fiteny pôlineziana toy ny fiteny maôry ary ny fiteny haoaiana. Miisa 450 any ho any ireo fiteny ireo.

Maro ny fiteny aostrôneziana manana ny satan' ny fiteny ôfisialy ao amin' ny firenena miteny azy, toy ny fiteny fiijana ao Fijy, ny fiteny zilbertina ao Kiribati, ny fiteny maôry ao Zelanda Vaovao, ny fiteny naoroana ao Nauru ary ny fiteny samôana ao Samôa. Na dia mahasahana erana midadasika aza ireo fiteny ireo dia miisa 2 000 000 eo ho eo ihany ny mpiteny azy.

Fiteny papoa hanova

Tenenina ao Ginea Vaovao sy amin' ny nosy manakaiky azy sasany ny fiteny papoa. Tsy fianakaviam-piteny ny fiteny papoa fa vondrona ara-jeôgrafian' ireo fiteny ao amin' io faritr' izao tontolo izao io, izay sady tsy fiteny aostraliana no tsy fiteny aostrôneziana.

Fitenin' ny mpajana-tany hanova

Ny fiteny indô-eorôpeana (fiteny frantsay, anglisy, espaniôla, pôrtogey) sy ny fiteny japôney dia tonga tao amin' io faritra io tamin' ny vanimpotoan' ny fanjanahan-tany. Maro ny fiteny kreôly sy fiteny pijiny vokatry ny fifampikasohan' ireo fitenin' ny mpanjana-tany ireo tamin' ny fitenin' ny tompon-tany izay nandroso tao amin' io faritra io. Ny sasany dia manana sata ôfisialy toy ny fiteny bislamara ao Vanoato.

Fiteny hafa hanova

Ireo fiteny tasmaniana dia maty tamin' ny fiantombohan' ny taonjato faha-20.

Jereo koa hanova