Mikrônezia (faritra)

I Mikrônezia dia iray amin' ireo vondro-nosy telo lehibe, manampy an' i Melanezia sy i Pôlinezia, izay mamorona an' i Ôseania. Ireto avy ny fanjakana sy ny faritra ara-pôlitika hita ao amin' ny faritr' i Mikrônezia:

  • ny Fanjakana mizakatenan' i Mikrônezia;
  • ireo Nosy Marsaly (Marshall);
  • i Kiribaty (Kiribati);
  • ireo nosy Mariana Avaratra (miankina amin' i Etazonia);
  • i Wake (miankina amin' i Etazonia);
  • i Naoro (Nauru);
  • i Palaô (Palaos);
  • i Guam (miankina amin' i Etazonia);
Sarin-tany maneho ny faritr' i Mikrônezia

Fiteny any Mikrônezia hanova

Ny fiteny tenenina any amin' ny faritr' i Mikrônezia talohan' ny fanjanahan-tany eorôpeana, dia ireo fiteny mikrôneziana, ao amin' ny sampana malaiô-pôlinezianan' ny fiteny aostrôneziana. Ny fiteny mikrôneziana dia isan' ny fiteny ôseaniana. Isan' ny fiteny any Mikrônezia ny fiteny karôliniana, ny fiteny zilbertina, ny fiteny kôsrae, ny fiteny lamôtreka, ny fiteny marsaley, ny fiteny môkily, ny fiteny môrtloka, ny fiteny pôhnpela, ny fiteny poloaty, ny fiteny sooka, ny fiteny olity, ary ny fiteny sônsôrôley. Ahitana fiteny pôlineziana, izay mbola fiteny aostrôneziana, koa ao.

 
Sarin-tany maneho ny fizaràm-paritr' i Ôseania.

Jereo koa hanova

Fizaràm-paritra any Ôseania: