I Tônga, na  ny Fanjakan' i Tônga, dia fanjakana pôlineziana, any amin' ny faritra andrefana amin’ ny Ranomasimbe Pasifika atsimo. 744 km atsinanana-atsimo-atsinanan' ny nosy Fiji ary 875 km atsimon' i Wallis-Futuna. Ity firenena ity dia mizara ho vondronosy telo lehibe ahitana nosy sy nosikely 170 mahery. Amin' ny fiteny tôngiana dia atao hoe Tonga /ˈtoŋa/ na Pule'anga Fakatu'i 'o Tonga; amin' ny fiteny anglisy dia atao hoe Tonga sy Kingdom of Tonga ity firenena ity.

Sainan' i Tônga
Ireo nosy Tônga eo amin' ny bolantany

Miorina amin' ny fehintany 20° Atsimo sy zarahasina 175° Andrefana, izay nantsoina taloha hoe Nosin' ny Mpinamana, ankehitriny dia lasa fanjaka-mpanjaka mahaleo tena ao amin' ny Commonwealth ireo nosy ireo. Ny toetany any dia toetanin-jana-pehin-tany mafana sy mando; mety hahatratra 2 000 mm isan-taona ny rotsak' orana. I Tônga dia manana velarana mirefy 748 km2 ary i Nukuʻalofa no renivohiny izay ao amin’ ny nosy Tongatapu.

Jereo koa hanova