I Nioe dia firenena nosy any amin' ny Ranomasimbe Pasifika Atsimo, any Pôlinezia Andrefana. Any amin' ny 2 400 km avaratra-atsinanan' i Zelanda Vaovao, eo afovoan' ny telozoro foronin' ireo nosy Tônga sy i Samôa ary ny Nosy Koky. Atao amin' ny teny anglisy hoe Niue izy, ary ​​​​amin' ny teny nioeana hoe Niuē.

Sainan' i Nioe
I Nioe eo amin' ny Bolantany

Hitan' ny kapiteny James Cook tamin' ny taona 1774 io nosy io nefa tsy afaka nankeny izy, lasa prôtektôrata britanika ilay nosy tamin' ny taona 1900 ary nakambana tamin' i Zelanda Vaovao tamin' ny 11 Jona 1901.

Tamin' ny 19 Ôktôbra 1974, i Nioe, toa ny Nosy Koky, dia nanao fikambanana malalaka tamin' i Zelanda Vaovao tao amin' ny Fanjakan' i Zelanda Vaovao.

Amin' ny maha firenena mizaka tena azy dia manana ny pôlitikany ivelany manokana izy. Eken’ ny Firenena Mikambana i Nioe nefa firenena tsy mpikambana ao aminy. I Nioe dia miankin-doha amin' ny lafiny ara-toekarena sy ara-pitaovana amin' i Zelanda Vaovao.

Jereo koa hanova