Tantaran' i Borkina Fasô

Ny tantaran' i Borkina Fasô dia ahitana ny tantaran' ny fanjakana isan-karazany tao amin' ilay firenena, toy ny Fanjakan' ny Môsy, ary koa ny fanjanahan-tany frantsay taty aoriana sy ny fahaleovan-tenan' i Borkina Fasô fony izy natsoina hoe Repoblikan' i Haute Volta tamin' ny taona 1960 sy ny tohin' ny tantara taorian' ny taona 1960.

Sainan' i Borkina Fasô

Talohan' ny fahaleovan-tenana hanova

Fiavian' ny mponina hanova

Ny sisa tavela (vato voasokitra, tavy vita amin’ ny tanimanga, sary sokitra) nanomboka tamin' ny tonarivo voalohany tal. J.K. dia niteraka sivilizasiôna tany amin’ ny faritra isy an' i Borkina Fasô. Ny tantsaha tonga tao voalohany dia namela marika teo amin' ny endri-tany manodidina tamin' ny fanadiovana ny ala. Izy ireo no nialoha ny razamben' ny Môsy ankehitriny, izay mameno ny ampahany be ilay firenena. Tsy fantatra mazava ny niavian’ ireto mpitaingina soavaly ireto. Milaza ny lovantsofina fa avy any atsinanana, atsimo, ary andrefana mihitsy aza izy ireo.

Niforona ho aristôkrasia miaramila izy ireo, ka nanao fifanarahana tamin' ny mponina teo an-toerana, izay nijanona ho tompon’ ny tany, araka ny asehon' ny fifandraisana nentim-paharazana misy eo amin’ ny "lehiben' ny tany" sy ny lehiben' ny kantao, izay nitana fahefana ara-pôlitika. Ny fahatongavan' ny Môsy dia teo anelanelan' ny taonjato faha-11 sy faha-14. Vokatry ny fifangaroana teo amin' ny mpandresy sy ny mponina tompon-tany, izay nahaforona kolontsaina iray manontolo, ny Môsy, nefa tsy nisy firaisana ara-pôlitika ny fanjakana môsy efatra izay niorina tsikelikely tao.

Ny fanjakan’ i Yatenga any avaratra, izay tena lehibe indrindra, dia nifandray mivantana tamin' ny empira sodaney maro izay nanaovany diabe fanafihana (fakana an' i Tombouctou tamin' ny taona 1329). Tsy maintsy niaro tena amin' ny fielezan' ny fivavahana silamo tao amin' ny Empira Sôngay izy. Nivangongo  tao an-drenivohitra ny fitantanana ny raharaham-panjakana ka afaka nanetsika haingana ny tafika.

Masina ny mpanjaka (atao hoe mohro naba); izy no maneho ny hery mpamelona izay heverina fa mandoro ny tany. Ny vondrom-poko hafa ao Borkina Fasô dia manana ny tantarany manokana, fifangaroana tamin' ny vahoaka hafa (Gormantse, Boà, Senofô, Gàna). Any avaratra ny Toarega, ny Folany, ny Sôngay ary ny Jerma izay nanorim-ponenana vao haingana kokoa. Ny taonjato faha-15 no nahatongavan' ny vahoaka miteny mande avy any andrefana, indrindra ny Diola mpivarotra, izay niavian' ny fiorenan' i Bobo-Dioulasso.

Fanjanahan-tany frantsay hanova

Tamin' ny taonjato faha-19 dia niatrika ny andrana nataon' ny mpianatr' i El-Hadj Omar, (ny Bambara any Ségou, ny Folany any Macina) indray ny firenena. Ny Folany dia nampiely ny fivavahana silamo tamin' ny faritra Volta Atsinanana manodidina ny taona 1810. Tamin' ny taona 1895, i Samory Touré dia nanandrana nanangana fanjakana tao amin' ny faritry ny hivoka.

Ny Frantsay, izay natahotra ny ho songonan' ny Anglisy tao amin' ilay faritra, dia nanararaotra ny tahotra nateraky ny fikasana haka tany amin' ny alalan' ny ady nataon' ireo andriamanjaka teo an-toerana ka nananganana prôtektôrata tao amin' ny fanjakana môsin' i Ouagadougou tamin' ny taona 1896, raha ny fanjakana môsy hafa kosa izay nihamalemy noho ny adim-pifandimbiasam-panjakana teo amin’ ny taranaka mpanjaka, dia lasa ambany fahefany ihany koa.

Hatramin' ny 1904 ka hatramin' ny 1919, ireo tany vaovaon' ny Empira Mpanjanatany Frantsay ireo dia niankina amin’ ny zanatanin' i Haut-Sénégal-Niger, nampidirina tao amin’ i Afrika Andrefana Frantsay. Tamin' ny taona 1916, dia nisy hetsika lehibe nanoherana ny filatsarana ho miaramila. Ny Môsy no ampahany betsaka amin' ireo andian-tafika nantsoina hoe "tirailleurs sénégalais" izay niady niaraka tamin' ny tafiky ny firenena mpiara-dia nandritra ny Ady Lehibe Voalohany. Antsoina hoe "tirailleurs sénégalais" izy ireo satria niondrana an-tsambo ho any Eorôpa avy ao Dakar. Tamin' ny taona 1919 dia noforonina ny zanatanin' i Haute-Volta. Tamin’ ny taona 1932, herintaona taorian’ ny mosary nandravarava an' ilay firenena, i Haute-Volta dia nozarazaraina noho ny tsindry nataon’ ny voanjo eorôpeana avy any Kôtidivoara sy Sodàna Frantsay (i Maly ankehitriny) ary Nizera. Tena toerana fitadiavana mpiasa maro ho an' ny toeram-pambolena sy ny fanamboarana ny lalamby mampitohy an’ i Ouagadougou sy i Abidjan i Haute-Volta.

Ny faritra afovoany sy ny atsimo amin' i Haute-Volta dia nampidirina tao amin' ny zanatanin' i Kôtidivoara, fa ny avaratra nampidirina tao amin' i Sodàna Frantsay ary ny atsinanana tao amin’ i Nizera. Ny asa an-terivozona, ny hetra (miampy ny famaizana ny fikomiana) dia efa nanamarika lalina ny fieritreretan’ ny olona. Io firenena io izay namoaka olona maro hiady ho an' i France Libre teo amin' ny sahan' ny ady tany Eorôpa tamin' ny Ady Lehibe Faharoa, dia nitambatra indray tamin' ny taona 1947.

Fahaleovan-tena hanova

Fitondran' i Maurice Yaméogo hanova

 
Maurice Yaméogo

Tamin' ny taona 1958 i Haute-Volta dia lasa repoblika mizaka tena ao anatin' ny Communauté française, teo ambany fitarihan' i Maurice Yaméogo, mpitarika ny Union Démocratique Voltaïque. Tamin' ny taona 1959 izy dia niditra tao amin' ny Conseil de l'Entente, izay fikambanana nampivondrona ny firenena miteny frantsay ao amin' ilay faritra (i Kôtidivoara, i Nizera, i Dahomey na Benîno ankehitriny, ary i Tôgô). Nahazo fahaleovan-tena ilay firenena tamin’ ny 5 Aogositra 1960.

I Yaméogo, izay nijanona ho filohan' ny repoblika, dia nanangana fitondran' antoko tokana, notohanan' ny Union Démocratique Voltaïque. Tamin' ny Janoary 1966, ny fitsitsiana nataon' ny governemanta dia niteraka hetsi-bahoaka maro notarihin’ ny sendikà sy ny antoko liam-pivorana. Voatery nandao ny fahefana amin' i kôlônely Sangoulé Lamizana, lehiben' ny etamazaoro, izay mahazo ny fitokisan' ny vahoaka, ny filoha Yaméogo. Noraisin' i Sangoulé Lamizana ny fitarihana ny Filankevitra Ambonin' ny Foloalindahy (Conseil Supérieur des Forces Armées) ary novolavolaina ny drafitra vaovao handaminana indray ny toekarena.

Tamin' ny taona 1970 dia navoakan’ i Sangoulé Lamizana ny Lalàm-panorenana mametraka ny fifidianana filoham-pirenena amin' ny latsabato andraisan' ny rehetra anjara mandritra ny efa-taona sady miantoka ny fisian’ ny antoko pôlitika maro. Antoko pôlitika manodidina ny folo no nandray anjara tamin' ny fifidianana ny mpanao lalàna tamin' ny taona 1971. Nipoaka anefa ny ady teo amin’ i Haute Volta sy i Maly tao amin' ny sisintany Agacher izay misy mineraly betsaka, dia nandray ny fitondrana indray ny tafika tamin' ny taona 1974, ka nialoha lalana ny fiverenana amin' ny fitondran’ antoko tokana.

Ny fitokonana faobe voalohany, tamin' ny Desambra 1975, dia nanamarika ny firongatry ny hetsi-bahoaka malaza nokarakarain' ny sendikà, izay niafara amin' ny fianjeran' ny governemanta miaramila tamin' ny taona 1977. Lalàm-panorenana vaovao, nankatoavina tamn’ ny alalan' ny fitsapan-kevi-bahoaka, no namerina ny fisian’ ny antoko maro, izay voafetra ho an' ny antoko telo lehibe. Tamin' ny taona 1978, voafidy ho filohan' ny repoblika ny jeneraly Sangoulé Lamizana taorian' ny fifidianana nandraisan’ ny antoko pôlitika maro anjara nefa voamariky ny tsy fahavitrihan’ ny mpifidy maro dia maro.

Tamin' ny taona 1980 dia niteraka fahadisoam-panantenana vaovao ny tsy fanondrotana ny karama sy ny fiakaran' ny vidin' ny sakafo fototra (vary, siramamy, ampemba, ampembambazaha), ka nitarika fanonganam-panjakana nataon’ ny miaramila, izay nametraka ny kôlônely Saye Zerbo teo amin' ny fitondrana. Nahazo fanohanana tamin' ny vahoaka izy ka nampiato ny andrim-panjakana rehetra amin’ ny asany ary nanangana ny Komitin' ny Fanarenana Miaramila ho an' ny Fandrosoan’ ny Firenena (Comité Militaire de Redressement pour le Progrès National).

Roa taona taty aoriana, rehefa niharatsy hatrany ny toekarena, dia nanongana an' i Zerbo ny manam-boninahitra miaramila tanora. Notarihin' ny kapiteny Thomas Sankara ny governemanta miaramila vaovao, raha i Jean-Baptiste Ouedraogo kosa, izay mpitsabo-kômandà, no nitantana ny fiadidiana ny Repoblika.

Ny fitondran' i Thomas Sankara hanova

Tamin' ny volana Aogositra 1983, ny fisamborana ny praiminisitra Thomas Sankara dia nitarika ny fidirana an-tsehatry ny mpilatsaka amin' ny elonaina ary nanomboka ny vanim-potoanan' ny fisandratana revôlisiônera izay nanamarika ny firenena taty aoriana. Taorian' ny nanonganana an' i Ouedraogo, dia voatendry ho filohan' ny Filankevitra Nasionalin' ny Revôlisiôna (Conseil National de la Révolution - CNR) i Thomas Sankara, izay nampangain' ny firenena tandrefana ho mpiara-dia amin' i Kaddafi ny mpitarika ny firenena libiana, ka nanangana komity miaro ny revôlisiôna ary nanolo-tena ho amin’ ny pôlitikam-pampandrosoana toekarena manindrahindra tanindrazana sy liam-pivoarana.

Natomboka ny fanentanana hanoherana ny fangatahana sy ny fivarotan-tena, ho an' ny fanatanjahan-tena faobe sy ny fitondrana ny fitafiana "Faso Dan Fani", akanjom-pirenena. Tamin' ny 3 Aogositra 1984, tsingerin-taona voalohany tamin' ny fanonganam-panjakana, dia novana anarana ôfisialy hoe Burkina Faso ilay firenena. Ny fiovam-penitra nataon’ i Thomas Sankara, tamin' ny farany, dia tsy nitondra fiovana firy teo amin' ny fiainan' ny mponina ambanivohitra, izay maro an'isa, nefa nitoetra tao an-tsain' ny Borkinabe ho olo-mahery, maneho ny idealy amin' ny fanafahana ny firenena sy ny fandrosoana i Thomas Sankara, amin' ny ankapobeny.

Tamin' ny 15 Ôktôbra 1987 i Thomas Sankara dia nisy namono nandritra ny fanonganam-panjakana izay nametraka ny kapiteny Blaise Compaoré (minisi-panjakana miankina mivantana amin’ ny fiadidiana ny Repoblika tamin’ izany fotoana izany) ho eo amin' ny fitondrana ny firenena. Nanao hetsika fanitsiana ny pôlitika sy ara-toekarena teo amin’ ny firenena avy hatrany i Blaise Compaoré.

Ny fitondran' i Blaise Compaoré hanova

 
Blaise Compaoré, filohan' i Bokina Fasô tamin' ny taona 1987 hatramin' ny 2014.

Ny fitohizan' ny fahasahiranana ara-toekarena, ny tsindry avy amin' ny fihetsiketsehana an’ arabe sy avy amin’ny sendikà ary avy amin’ ny fikambanana ara-bola iraisam-pirenena dia nandray anjara tamin' ny fametrahana ny demôkrasia nanomboka tamin' ny taona 1991. Tamin' io taona io no nosoniavina niaraka tamin' ny Banky Iraisam-Pirenena sy ny Tahirim-Bola Iraisam-Pirenena ny drafi-panitsiana ara-drafitra voalohany, ary noraisina tamin' ny alalan’ ny fitsapan-kevi-bahoaka ny lalàm-panorenana vaovao miantoka ny demôkrasia.

Nanamafy ny maha filoham-pirenena an’ i Blaise Compaoré ny latsa-bato nataon' ny mpanohitra ankivy, izay nisy mpikambana maro lasibatry ny fanafihana. Taorian' ny tsy fahombiazan' ny Fihaonambem-pirenena ho an' ny fampihavanam-pirenena tamin' ny Febroary 1992, dia mbola nanjakan' ny Kôngresy ho an' ny Demôkrasia sy ny Fandrosoana (Congrès pour la Démocratie et le Progrès - CDP), antokon' ny filoha Compaoré, ny fiainana ara-pôlitika, raha toa kosa nanao izay hanamafisana ny fahefany ity filoha ity. Tamin' ny taona 1997 tokoa mantsy dia nisy ny fanitsian-dalàm-panorenana izay nanafoana ny fehezan-dalàna mametra ny isan' ny fe-potoam-piasan' ny filoham-pirenena.

Manana andraikitra ara-diplômasia lehibe eo amin' ny faritra misy ny fireneny ihany koa ny filohan' i Borkina Fasô satria teo ambany fiahiany, nanomboka tamin' ny Septambra 1994 ka hatramin' ny Avrily 1995, no nisy ny fifampiraharahana teo amin' ny governemantan' i Nizera sy ny hetsika nataon’ ny Toarega mpikomy tao amin' io firenena io. I Blaise Compaoré, izay nanohana ny hetsika mitam-piadiana liberiana notarihin' i Charles Taylor, dia niditra an-tsehatra tamin' ny fifanakalozan-kevitra momba ny ady tany Liberià.

Afaka niantehitra amin' ny fahombiazan' ny fihaonamben' ny Organisation de l’Unité Africaine (OUA) na Organisation de of African Unity (OAU) aza izy, izay nivory tao Ouagadougou tamin' ny taona 1998, sy amin' ny toe-javatra ara-toekarena somary mahafa-po, ka voafidy indray tamin' ny 87,5 % amin' ny vato azo tamin' ny Nôvambra 1998 (ho amin’ ny fotoam-piasana maharitra dimy taona). 56 % ny taham-pahavitrihan’ ny mpifidy taorian' ny fanentanana hanao ankivy nataon' ny mpanohitra.

Nanolo-tena amin' ny fampiroboroboana ny fandriam-pahalemana ara-tsôsialy sy ny fampihavanam-pirenena ny filoha Compaoré. Tamin' ny Desambra 1998, ny fahafatesan' ny mpanao gazety Norbert Zongo dia namelona indray ny fankahalana ny fitondrany, izay efa nisy hatramin’ ny fomba nahatongavany teo amin' ny fitondrana sy ny fahafatesan' i Thomas Sankara izay nankalazaina tao amin’ io firenena io ny fahafolo taonany.

Nanako any ivelan’ i Borkina Fasô ny raharaha Zongo ka tena manaratsy ny fifidianana indray an' ilay filoham-pirenena. Na dia nitombo aza ny fanoherana ny fitondran’ i Blaise Compaoré, ny fifidianana mpanao lalàna tamin’ ny Mey 2002 dia nizotra tanaty filaminana. Nanana ny maro anisa tanteraka ao amin' ny antenimieram-pirenena ny Congrès pour la Démocratie et le Progrès (CDP), izay nanana toerana 57 amin' ny 111, manoloana ny fanoherana tsy niray hina.

Ny praiminisitra Ernest Paramanga Yonli dia voatendry indray ho lehiben' ny governemanta izay tsy ahitana mpikambana avy amin' ny mpanohitra intsony. Nanomboka tamin' ny Septambra manaraka, namely mafy an' i Borkina Fasô ny krizy ara-pôlitika nipoaka tao Kôtidivoara, izay onenan’ ny teratany borkinabe telo tapitrisa ary voampanga ho nanohana ny fikomiana ivoariana ny fitondrana tao Ouagadougou.

Nakatona haingana ny sisin-tany iraisan’ ireo firenena roa ireo ary tsy nosokafana raha tsy tamin’ ny Septambra 2003, ary nisy vokany lehibe teo amin’ ny varotra sy ny toekarena izany. Tamin’ ny volana Ôktôbra aorian’ io dia niampanga fikasana fanonganam-panjakana niarahana amin' i Kôtidivoara ny manampahefana ao Borkina Fasô. Olona heverina ho mpiray tsikombakomba am-polony, izay nandà ny fahamarinan’ izany, no nosamborina sy notsaraina.

Ny fifidianana filoham-pirenena tamin' ny taona 2005, izay nandraisan’ ny ankamaroan’ ny mpanohitra anjara voalohany hatramin’ ny taona 1991, nisy kandidà iraika ambin' ny folo, dia nahalany indray an' i Blaise Compaoré tamin' ny fihodinana voalohany tamin' ny 80,30 % amin' ny vato, raha 57,5 % ny tahan' ny fandraisana anjara. Nilatsaka hofidina indray izy tamin’ ny taona 2010 ka lany soa aman-tsara.

Tamin' ny 30 Ôktôbra 2014, i Blaise Compaoré dia niatrika hetsi-bahoaka nanohitra ny tetikasany izay hanovana ny andininy faha-37 amin' ny lalàna fototra mametra ny isan' ny fe-potoam-piasan' ny filoham-pirenena, mba hirotsaka hofidiana indray amin' ny taona 2015. Noho izany rotaka izany dia nandao ny fitondrana i Blaise Compaoré.

Taona 2014 hatramin' ny 2022 hanova

 
Jeneraly Honoré Traoré

Tamin’ ny 31 Ôktôbra 2014 dia nanambara ny fananganana fahefana tetezamita, hisahana ny fahefana mpanatanteraka sy mpanao lalàna i Honoré Traoré, lehiben’ ny etamazôron’ ny Fiarovana, hiverenana amin’ ny lamina araka ny lalàm-panorenana ao anatin’ ny roa ambin’ ny folo volana. Tamin' ny 17 Nôvambra 2014 no voatendry ho filohan’ ny tetezamita ilay diplômaty Michel Kafando izay manendry an' i Isaac Zida ho praiminisitra.

Tamin’ ny 17 Septambra 2015 dia notazonin’ ny miaramila avy ao amin’ ny Rezimanta misahana ny fiarovana ny filoham-pirenena (Régiment de Sécurité Présidentielle - RSP) ho takalon’ aina ny filoha sy ny praiminisitra ary nambaran’ izy ireo ny fandravana ny fitondrana tetezamita. I Gilbert Diendéré, lehiben' ny etamazôro manokana tao amin’ ny fioha teo aloha Blaise Compaoré, dia nanambara ny tenany ho filoham-panjakana. Izany fanonganam-panjakana izany dia nitarika ny fampiatoana an' i Borkina Fasô tsy ho mpikambana ao amin' ny Vondrona Afrikana. Tamin' ny 22 Septambra 2015, niditra tao Ouagadougou ny tafika mba hitaky ny mpanongam-panjakana hitolo-batana. Tamin’ io andro io ihany koa no nanambaran’ ny lehiben’ ny mpanongam-panjakana fa hiverina amin’ ny toerany ny filohan’ ny tetezamita taorian’ ny nangatahan’ ny Vondrona ara-Toekarena ao amin’ ny Firenen' i Afrika Andrefana (Communauté Economique des États de l'Afrique de l'Ouest) mba hametraka ny fitaovam-piadiany. Tamin' ny 23 Septambra 2015 dia nanambara ny fiafaran’ ny fanonganam-panjakana ny filohan’ ny tetezamita, tamin’ ny alalan’ ny lahateniny ho an’ ny firenena, ary nanohy ny asany. Naverina ho mpikambana ao amin' ny Vondrona Afrikana i Burkina Faso tamin' ny 31 Septambra 2015.

 
Roch Marc Christian Kaboré

Tamin' ny 30 Nôvambra 2015, taorian' ny fifidianana filoham-pirenena sy mpanao lalàna, dia voafidy tamin' ny fihodinana voalohany i Roch Marc Christian Kaboré (MPP) ho filohan' i Borkina Fasô tamin' ny 53,49 %, nialoha an' i Zéphirin Diabré (UPC), izay nahazo 29,65 %, ny kandidà 12 hafa nizara ny ambiny. Izy no filoha sivily faharoa taorian' i Maurice Yaméogo hatramin' ny nahazoan' i Borkina Fasô ny fahaleovan-tena.

Ny filoha vaovao dia tsy maintsy niatrika ny fanafihana jihadista any avaratra, eo amin' ny sisin-tany manasaraka an’ i Borkina Faso amin’ i Maly. Ny pôlitika anatiny dia voamariky ny fihemorana sy ny firongatry ny fanoherana ny filoha vaovao.

Ny fitomboan' ny tsy fandriam-pahalemana dia nitarika ny fihanaky ny milisy. Tamin' ny taona 2020 dia nisy vondrona Koglweogo efa ho 4 500 eo ho eo ilay firenena, izay nisy mpikambana eo anelanelan' ny 20 000 sy 45 000. Ireo vondrona ireo, izay fantatra amin' ny anarana hoe “Koglwéogo”, dia tsy miankina amin'ny fanjakana ary tsy manao tatitra amin' iza na iza. Miasa ivelan' ny rafitra ara-dalàna izy ireo. Nampihena ny asan-jiolahy teo an-toerana izany, saingy ny fanararaotana ataon' ny sasany amin' ny mpikambana ao aminy dia miteraka loharanon-tsy fandriam-pahalemana sy loza mitatao ho an' ny zon' olombelona, ​​ary vao mainka nampahalemy ny rafi-pitsarana ara-dalàna. Araka ny voalazan' ny Amnesty International dia nanao fanararaotana, toy ny daroka sy ny fakana an-keriny ny Koglwéogo, ka nahatonga ny fikambanan' ny fiarahamonim-pirenena hanakiana ny Fanjakana amin' ny tsy fandraisany andraikitra min' ny fisorohana sy ny fanarenana ity herisetra ity.

Tamin' ny 29 sy 30 Mey 2020, fanafihana jihadista maromaro no nahafaty olona manodidina ny dimampolo tao Kompienga. Ny alin' ny 4 hatramin' ny 5 Jona 2021 dia nisy fanafihana jihadista vaovao nahafaty olona maherin' ny 160, anisan' izany ny ankizy roapolo tao Solhan, tanàna any avaratra-atsinanana. Io no fanafihana nahafaty olona be indrindra tao Borkina Fasô hatramin' ny nanombohan' ny fanafihana jihadista tamin' ny taona 2015. Tao anatin' ny enin-taona dia efa namoizana ain' olona an' arivony ny herisetra, indrindra fa any amin' ny faritra akaikin' ny sisintanin' i Maly sy Nizera.

Fanonganam-panjakana tamin' ny taona 2022 hanova

 
Paul-Henri Sandaogo Damiba taona 2022.

Tamin' ny 23 Janoary 2022 no nisy fanonganam-panjakana nataon’ ireo izay mivondrona ao amin’ ny ato hoe "Hetsika Tia Tanindrazana ho Fiarovana sy Famerenana amin' ny Laoniny" (Mouvement Patriotique pour la Sauvegarde et la Restauration) ary notarihin' ny lietena-kôlônely Paul-Henri Sandaogo Damiba, dia nanambara ny fanakatonana ny sisin-tany an-tanety sy ny ana habakabaka nanomboka amin' ny misasak' alina, ny fandravana ny governemanta sy ny Antenimieram-pirenena. ary koa ny fampihantonana ny Lalàm-panorenana. Tamin’ ny 1 Marsa 2022, i Paul-Henri Sandaogo Damiba, mpitarika ny fitondrana jadona ao Borkina Fasô, dia nanao sonia drafitra hanombohana tetezamita telo taona ho amin' ny demôkrasia.

Tamin' ny Jona 2022, i Mahamadou Issoufou, mpanelanelana ao amin' ny CEDEAO ho an' i Borkina Fasô, dia nanombana fa ny 40 % n' ny tanim-pirenen' i Borkina Fasô dia tsy voafehin' ny fanjakana.

Tamin' ny 30 Septambra 2022 dia nisy andiana miaramila notarihin' ny kapiteny Ibrahim Traoré, lehiben' ny vondron-tafika manokana miady amin' ny jihadista "Cobra" ao amin' ny faritr' i Kaya (avaratra), nanambara tamin' ny fahitalavi-pirenena fa nesorina i Henri Damiba mpitarika ny fitondrana jadona miaramila, izay voampanga ho namadika ny hevitra niaingana iraisan' ny rehetra tamin' ny fanafahana ny faritra voabodo, faritra nilamina taloha lasa eo ambany fifehezan' ny mpampihorohoro nanomboka tamin' ny fanonganam-panjakana voalohany tamin' ny Janoary 2022.

Jereo koa hanova