I Samory Touré na Almamy Samory Touré na Almamy Samore Lafiya Touré, teraka tamin' ny taona 1830 tany Miniambaladougou, ao amin' ny Repoblikan' i Ginea ankehitriny, ary maty tamin' ny 2 Jona 1900 tao Ndjolé any Gabon, izay mpanorina ny Empira Wassoulou, izay empira isilamika tsy naharitra. Mpitondra fivavahana mozilmana ao amin' ny vondrom-poko mandinka izy, mpananao tetikady miaramila. Amin' ny maha mpitondra fivavahana mozilmana lalim-pinoana tao amin' ny sekolin' i Maliki momba ny lalàna ara-pinoana ao amin' ny silamo sonita azy, dia nandamina ny fanjakany ary nanamarina ny fanitarana izany tamin' ny foto-kevitra silamo izy.

Samory Touré

Izany empira izany dia nahafaoka ny tapany avaratra sy atsinanan' i Ginea ankehitriny, ny tapany avaratra-atsinanan' i Siera Leôna, ny tapany atsimon' i Maly, ny tapany avaratr' i Kôtidivoara ary ny tapany atsimon' i Borkina Fasô, manodidina ny renivohitra lehibe roa: i Kankan sy i Bissandougou. Nirodana ity empira ity tamin’ ny taona 1898. Tamin’ ny 29 Septambra 1898 i Samory Touré dia nosamborin’ ny kapiteny frantsay Gouraud tao Guélémou any amin' ny tapany andrefan’ i Kôtidivoara ankehitriny.

Nitari-tafika hiady amin' ny fidiran' ny Frantsay sy ny Britanika any Afrika Andrefana efa ho roapolo taona i Samory Touré ka heverina ho mpitarika mainty hoditra farany tsy miankina tao Afrika Andrefana ary iray amin' ireo Afrikana malaza mpanohitra ny fanjanahantany, tamin' ny faran' ny taonjato faha-19. Manamarika ny fahavitan' ny fandresen' ny mpanjanaka an' i Afrika Andrefana ny fisamborana azy.