Communauté française

Ny Communauté française, izay azo adika hoe "Fiavakaviambe Frantsay", dia fikambanan' i Frantsa sy ny departemanta sy fizaràn-tany ampitan-dranomasina ary ny zanatany frantsay aty Afrika. Natsangana tamin' ny taona 1958 tao amin' ny lalàm-panorenan' ny Repoblika fahadimy frantsay ny Communauté française izay nisolo ny Union française naorina tamin' ny taona 1946, izay nampitambatra an' i Frantsa sy ny firenena any ampitan-dranomasina. Ao amin' io Communauté française io, ny fanjakana sy ny firenena any ampitan-dranomasina dia lasa manana ny fiandrianany sy ny fizakan-tenany.

Sainam-pirenena frantsay
Ny tany sy firenena mpikambana tao amin' ny Communauté française

Ny Communauté française anefa nitazona ny fifehezana ny pôlitika ara-toekarena, ny raharaham-bahiny, ny fiarovana, ny vola, ny fampianarana ambony ary ny sehatra hafa mahakasika ny tombontsoa iombonana.

Na dia nekena tamin' ny alalan' ny fitsapan-kevi-bahoaka aza ny fidirana ao amin' io Communauté française io (ankoatra an' i Ginea izay nanana an' i Sékou Touré ho filoham-pirenena), dia tsy nisy intsony ny antom-pisian' ny Communauté française rehefa nahazo fahaleovantena tamin' ny taompolo 1960 ny firenena afrikana zanatany frantsay taloha. Na izany aza dia nisy ny fifanaraham-piaraha-miasa nitazona ny fifandraisana eo amin' i Frantsa sy ny mpiara-miombona antoka vaovao aminy.

Jereo koa hanova