Ny ampembambazaha dia karazana zavamaniry maromaro amin' ny fianakaviana Poaceae (ahitra). Ireo dia voamadinika, misy voa kely dia kely, maniry indrindra any amin' ny faritra manana toetrandro maina, indrindra any Afrika sy any Azia.

Ampembambazaha

Tsy mitaky fikarakarana be sy mahatanty ny toetriny tany kokoa noho ny ampemba mahazatra, ireo karazana ampemba ireo dia mety tsara amin' ny faritra manana toetany antonony na mafana sy maina izay tsy misy orana afa-tsy amin' ny fotoana fohy.

Sorghum halepense

Ny atao amin' ny teny malagasy hoe ampembambazaha na ampembibazaha dia ilay mitondra anarana ara-tsansa hoe Sorghum halepense.