Ny Senofô na Sienà, araka ny iantsoan' izy ireo ny tenany, na Senefô, Sene, Sienambele na Bamana, dia vahoaka ao Afrika Andrefana izay ahitana zana-bondrom-poko telopolo eo ho eo, mitsinjara ao Maly (ao atsimo, indrindra ao amin' ny faritr' i Sikasso), ao Borkina Fasô sy Kôtidivoara (any avaratra) izay misy an' i Korhogo foiben' izy ireo. Miisa 2 200 000 ny Senofô ao Maly, 305 800 ny ao Borkina Fasô ary 2 400 000 ny ao Kôtidivoara. Miteny amin' ny fiteny senofô izy ireo.

Vehivavy senofô

Ny fiaraha-monina senofô dia mbola anjakan' ny tantsaha, izay samy misahana fambolena voly fihinana (ampembambazaha, katsaka, vary, tapetaka) sy ny voly fivarotra (voanjo, landihazo).