Rosiana (vahoaka)

(tonga teto avy amin'ny Rosiana)

Ny Rosiana dia vondrom-poko slava tatsinanana teratany any Eorôpa Atsinanana, izay mitovy razambe, kolontsaina ary tantara. Ny fiteny rosiana, izay fiteny slava be mpampiasa indrindra, no tenin-dreny iraisan' ny Rosiana; ny kristianisma ôrtôdôksa no fivavahan' ny ankamaroan' izy hatramin' ny niforonan' ny maha Rosiana azy ireo tamin' ny Andro Antenatenany. Izy ireo no vahoaka slava lehibe indrindra ary vahoaka eorôpeana lehibe indrindra.

Ny Rosiana dia niforona avy amin' ny fokom-pirenena slava atsinanana, ary ny kolontsain' ny razany dia miorina ao Rosin' i Kiev. Momba ny fototarazo, ny ankamaroan' ny Rosiana dia mitovy amin' ny an' ny Slava Tatsinanana mitovy aminy, fa tsy toy ny Rosiana Avaratra, izay mitovy fototarazon' ny vahoaka baltika. Ny teny rosiana ampiasaina hanondroana ny Rosiana dia avy amin' ny anaran' ny mponin' i Rosy (Rus') sy ny tanin' i Rosy. Ny Rosiana dia mizara toetra ara-tantara sy ara-kolontsaina maro amin' ny Eorôpeana hafa, ary indrindra amin' ireo vondrom-poko slava atsinanana hafa, indrindra ny Belarosiana sy ny Okrainiana.

Ny ankamaroan' ny Rosiana dia mipetraka ao Rosia, fa misy vondrona madinika koa miparitaka manerana ny firenena hafa avy amin' ny Firaisana Sôvietika toa an' i Belarosia, i Kazakstana, i Môldavia, i Okraina ary ny firenena baltika (Estônia sy Letônia ary Litoania). Nisy diaspôra rosiana lehibe iray (indraindray anisan' izany ireo tsy miteny rosiana), tombanana ho eo amin' ny 25 tapitrisa eo ho eo, no niforona manerana an' izao tontolo izao, izay misy isa tsy azo tsinontsinoavina any Etazonia, any Alemaina, any Brezila ary any Kanada.

Fivavahana hanova

Ny fivavahana lehibe indrindra any Rosia dia ny kristianisma -- Io no manana mponina ôrtôdôksa betsaka indrindra eran-tany. Araka ny fanadihadiana ara-tsôsialy samihafa momba ny fivavahana, eo anelanelan' ny 41 % ka hatramin' ny 80 % amin' ny fitambaran' ny mponina ao Rosia dia mifikitra amin' ny Fiangonana Ôrtôdôksa Rosiana.

Ny Rosiana tsy mpivavaka dia mety afangaro amn' ireo ao amin' ny finoana ôrtôdôksa noho ny antony ara-kolontsaina. Ny Rosiana sasany dia ny "Mpino Taloha" (rosiana: Старообрядчество / Staroobriadtʃiestvo): vondrona mpisara-bazana madinika ao amin' ny Ôrtôdôksa Rosiana izay nandà ny fanavaozana litorjika nampidirina tamin' ny taonjato faha-17.

Anisan' ny antoko nisaraka avy amin' ny Ôrtôdôksa ny Dokôbôra (rosiana: духоборы na духоборцы / dukhobory na dukhobortsy) izay nandà ny governemanta laîka tamin' ny taonjato faha-18, ny pretra ôrtôdôksa rosiana, ny sary masina, ny fombafombam-piangonana rehetra, ny fiheverana ny Baiboly ho loharano ambony indrindra amin' ny fanambaràn' Andriamanitra sy ny maha Andriamanitra an' i Jesoa, ary nifindra monina tany Kanada.

Ny sekta taloha kokoa dia ny Môlôkana (rosiana: молокан / Molokan) izay niforona tamin' ny taona 1550 ary nandà ny fiheverana fa avy amin' Andriamanitra ny zon' ny Tsar (mpanjaka rosiana) hanapaka, ny sary masina, ny Trinite araka ny voalazan' ny Fanekem-pinoana nikeana, ny fifadian-kanina ôrtôdôksa, ny raharaha miaramila, ary ny fanao hafa toy ny batisa anaty rano.

Ny fivavahana hafa fahita era-tany dia misy kely eo amin' ny Rosiana. Ny lehibe indrindra amin' ireo vondrona ireo dia ny silamo izay manana mpino maherin' ny 100 000 avy avy amin' ny vahoaka vitsy anisa, sy ny batisma izay manana mpivavaka rosiana maherin' ny 85 000. Ny hafa dia ny Pentekôtista, ny Evanjelika, ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito, ny Loterana ary ny Vavolombelon' i Jehovah.

Hatramin' ny nianjeran' ny Firaisana Sôvietika dia nisy hetsika ara-pivavahana vaovao nipoitra ary nanangona mpanaraka avy amin' ny Rosiana. Ny malaza indrindra amin' izy ireo dia Rôdnôvery (neôpaganisma), izay fifohazan' ny fivavahan-drazana slava izay fahita koaz amin' ny vahoaka slava hafa.

Fiteny hanova

Ny fiteny rosiana no fiteny ôfisialy sy be mpampiasa indrindra any Rosia. Io no fiteny teratany be mpampiasa indrindra any Eorôpa, fiteny miely patrana indrindra amin' ny amin' ny faritr' i Eorazia, ary fiteny slava be mpampiasa indrindra eran-tany. Ny fiteny rosiana no fiteny faharoa be mpampiasa indrindra amin' ny Internet aorian' ny fiteny anglisy, ary iray amin' ireo fiteny ôfisialy roa ao amin' ny International Space Station, ary anisan' ireo fiteny ôfisialy enina ao amin' ny Firenena Mikambana (manampy ny fiteny sinoa mandarina, ny fiteny anglisy, ny fiteny frantsay, ny fiteny arabo, ary ny fiteny espaniôla).

Jereo koa hanova