Ny sary masina na sarimasina dia fanehoana ny olo-masina ao amin' ny kristianisma, matetika tanterahina amin' ny alalan' ny hosodoko. Ny sary masina dia manana heviny ara-teôlôjia lalina izay mampiavaka azy amin' ny sary hafa ampiasain' ny mpino. Ny sary masina dia tafiditra tanteraka ao amin' ny katesezy ôrtôdôksa sy ao amin' ny Eglizy katôlika tatsinanana izay nitahiry ny lova ny sary masina ary koa ao amin' ny ampahany amin' ny Eglizy katôlika tandrefana ary ao amin' ny Fiangonana tsy kalkedôniana.

Sary masina rosiana maneho ny Trinite Masina

Amin' ny maha masina azy, ny sary masina dia ampahany manan-danja amin' ny litorjia ho an' ny Ôrtôdôksa, ary nanjary dôgma amin' ny finoana ny fanajana azy ireo hatramin' ny Kônsily ekiomenika fahafito. Ny sary masina dia nampisedrain' ny Fiangonan' ny Pentarkia, nanomboka tamin' ny taonjato faha-8, amin' ny fepetra ara-javakanto mahery vaika (loharanon' ny aingam-panahy momba ilay sary, ny hamafin' ny tsipika, ny loko). Mandraka ankehitriny, ireo kanôna ireo dia naharitra, ka miantoka ny fitohizan' ity sary hoso-doko natokana ho an' ny voninahitr' Andriamanitra ity.