Ny neôpaganisma na paganisma môderna na paganisma vaovao dia hetsika ara-pivavahana nandray singa avy amin' ny paganisma ara-tantara isan-karazany tao amin' ny vahoaka talohan' ny andro ankehitriny. Na dia misy fitovitoviany aza ny neôpaganisma rehetra dia misy maha samy hafa ny hetsika tsirairay isehoany, ary tsy mitovy finoana, na fanao, na soratra. Ny ankamaroan' ny mpikaroka eny amin' ny oniversite izay manao fandalinanana dia mihevitra azy io ho hetsika mizarazara ho fivavahana samihafa; ny hafa dia manao azy ho fivavahana tokana izay misy sampany samy hafa.

Sary famantarana ny fivavahana neôpagàna sasany: slava (rôdnôveria) • selta (neôdroidisma)• jermaika (asatro) • grika (helenisma) • pentagrama • Rôma (nôva rôma) • wicca • ejiptiana (kemitisma) • mesôpôtamiana (natiba kadisa).

Miantehitra amin' ny loharanon-kevitra talohan' ny kristianisma, miankina amin' ny lovantsofim-bahoaka sy amin' ny fanoritsoritana ny fombam-poko amin' ny fomba samihafa ny mpanaraka azy ireo; maro no manaraka fiainana ara-panahy izay eken' izy ireo ho vaovao tanteraka, fa ny hafa kosa milaza ho manaraka finoany talohan' ny tantara, na koa miezaka mamelona indray ny fivavaham-poko araka izay azo atao. Ny fikarohana akademika dia nametraka ny hetsika pagàna amin' ny sehatra iray, ahitana ny paganisma tsy manavaka fomba, amin' ny lafiny iray, ary ny fiverenana amin' ny pôliteisma amin' ny lafiny iray. Ny pôliteisma, ny animisma ary ny panteisma dia endri-javatra mahazatra amin' ny teôlôjian' ny pagànisma.

Ampifandraisina amin' ny hetsika New Age ny paganisma amin' izao fotoana izao, ka ny manam-pahaizana dia nanasongadina ny fifanahafany sy ny fahasamihafany. Ny sehatra akademika misahana ny fikarohana momba ny paganisma dia nanomboka nitambatra tamin' ny taona 1990, nipoitra avy amin' ny fikarohana samihafa tao anatin' ny roapolo taona lasa.

Jereo koa hanova