Kirôsy Lehibe

(tonga teto avy amin'ny Kirosy Lehibe)
Kirosy Lehibe
Ankapobeny
Anarana Kirosy Lehibe
Teraka 590 tal. J.K.
Maty 529 tal. J.K.
Fiaviana sy ny andraikitra
Asa : Tsy fantatra
Fiainana manokana

I Kirôsy Lehibe, izay atao hoe Kirôsy II, dia mpanjakan' i Persia tamin' ny taona 559 hatramin' ny taona 530 tal. J.K., teraka tamin' ny taona 590 tal. J.K. ary maty ny taona 529 tal. J.K. I Kambisesy I no rainy. Ny vadiny dia i Kasandana. Ny zanany dia i Bardia, i Atosa, i Artistôna, i Rôksane ary i Kambisesy II. Izy no nanorina ny Empira Persiana izay nandimby ny Fanjakana Medianita (na Meda). Avy amin' ny teny persiana tranainy hoe Kûrash izay midika hoe "masoandro" io anarany io. Atao hoe Sirôsy Lehibe na Sirôsy II koa izy amin' ny teny malagasy notakarina avy amin' ny fanononana frantsay.

Isan' ny tarana-manjakan' ny Akemenida (na Asemenida) izy. Fanafihana sy famaboan-tany etsy sy eroa tsy nisy toa azy no nanamarika ny fotoana nanjakany: rehefa avy nampanaiky ny fanapahany ny Mediana (na Meda) izy dia nanjaka koa tamin' ny Fanjakan' i Lidia sy ny tanàn-dehibe grika tao Iônia, avy eo tamin' ny Empira Babilôniana vaovao (isan' izany i Mesôpôtamia, i Siria, ireo tanan-dehibe foinikiana ary i Jodea). Maty nandritra ny ady nifanaovany tamin' ny Masageta (grika: Μασσαγέται / Massagetai) i Kirôsy Lehibe. Ny fanjakàny dia nanova ny tantaran' izao tontolo izao tamin' ny Andro Taloha.

Nanompo ny Mediana i Kirôsy II hanova

Isan' ny fianakaviana akemenida i Kirôsy Lehibe izay nandimby an-drainy (Kambisesy I) nitondra ny faritra persianan' i Ansàna (faritany ao Iràna ankehitriny) tamin' ny taona 558 tal. J.K. I Ansàna tamin' izany fotoana izany dia fanjakana nanompo ny Mediana. Tamin' ny taona 553 tal. J.K. dia nitarika fikomiana lehibe noherana ny Mediana i Kirôsy II. Rehefa lany ny telo volana niadiana dia voasambotr' i Kirôsy ny mpanjaka mediana Astiagôsy ka nahatonga ny faharavàn' ny Empira Mediana izany.

Lasa mpanjakan' i Persia i Kirôsy II hanova

Rehefa nandresy ny Mediana i Kirôsy II dia nanambara ny tenany fa mpanjakan' i Persia ka nanapaka tany midadasika hatrany amin' ny ony Halisy any andrefana ka hatrany amin' ny Empiran' i Babilôna any atsimo sy atsinanana). Nikambana ny Egiptiana sy ny Lidiana sy ny Partiana ary ny Babilôniana mba hisakana ny herin' i Kirôsy Lehibe, nefa tamin' ny taona 546 tal. J.K. dia resiny i Kresôsy mpanjakan' i Lidia ka izy no nifehy an' i Azia Minora. Tamin' ny taona 539 tal. J.K. dia azon' i Kirôsy i Babilôna.

 
I Kirôsy Lehibe sy ny Jiosy

Tamin' ny andron' i Kirôsy Lehibe no nahatraran' ny Empira Persiana ny fara atampon' ny tanjany, izay tsy nifarana raha tsy tamin' ny nahazoan' i Aleksandra Lehibe azy tamin' ny taona 331 tal. J.K.

Sady mpitari-tafika sy mpanao pôlitika mahay i Kirôsy II no mpanjaka mahira-tsaina nahay nandanjalanja sy nanam-pandeferana ka nanafaka ny Jiosy na Jody tamin' ny fahababoana tao Babilôna. Afaka nody any Palestina ny Jiosy hanamboatra indray ny tempolin' izy ireo ao Jerosalema izay noravàn' ilay mpanjaka babilôniana atao hoe Nebokadnetsara II. Amin' ny ankapobeny dia tsy nitsabaka tamin' ny fomba amam-panao sy ny fivavahan' ny vahoaka isan-toerana i Kirôsy II.

 
Fasan' i Kirôsy II

Maty nandritra ny fotoana niadiany tamin' ny Masageta i Kirôsy II. Nalevina tao Pasargaday izy ka mbola hita ao mandraka androany ny fasany. Ny zanany lahy Kambisesy II no nandimby azy teo amin' ny fitondrana.

Jereo koa hanova

Ireo mpanjaka persiana akemenida:

Akemenesy - Teispesy - Kirôsy I - Ariaramnesy - Kambisesy I - Arsamesy - Kirôsy Lehibe - Kambisesy II - Bardià - Dariôsy I - Kserksesy I - Artakserksesy I - Kserksesy II - Sôgdianôsy - Dariôsy II - Artakserksesy II - Artakserksesy III - Arsesy - Dariôsy III.

Rohy ivelany hanova

  • Ao amin'i Freebase: [1]
 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.