Jôiakina

(tonga teto avy amin'ny Jekonia)

I Jôiakina na Jôasina, izay atao hoe Jekônia na Jekôniasa koa, dia mpanjakan' i Jodà nandimby ny mpanjaka Jôiakima rainy. Tsy naharitra ny fitondrany izay nanomboka tamin' ny Desambra 598 tal. J.K. ka nifarana tamin' ny Marsa 597 tal. J.K. izy. Natao sesitany tany Babilôna izy tamin' ny nandresen' i Nebokadnetsara II ny tafik' i Jodà. I Zedekia (na Sedekiasa) no nandimby azy sady mpanjaka farany tao amin' ny Fanjakan' i Jodà.

Ny anarany hanova

Roa ny anarana azo iantsoana an' i Jôiakina amin' ny teny hebreo (ao amin' ny Tanakh) dia ny hoe יהויכין / Yehoyakhin sy ny hoe יכניהו / Yekhonyahu. Ireo no adikan' ny Volgata hoe Ioachin sy Iechonias. Ny Baiboly prôtestanta malagasy dia manotratra hoe Joiakina sy Jekonia fa ny Baiboly katôlika malagasy kosa dia manao hoe Jôasina sy Jekôniasa.

Fiainana sy fanjakàny hanova

Tamin' ny taona 598 tal. J.K. tamin' ny nandrosoan' i Nebokadnetsara II hanafika ny Fanjakan' i Jodà dia maty i Jôiakima (na Jôakima), angamba nisy namono, ka nandimby azy i Jôiakina zanany tamin' ny faha-18 taonany. Telo volana sy folo andro fotsiny anefa no nanjakan' i Jôakina (Desambra 598 - Marsa 597 tal. J.K.).

Naka an' i Negeva ny Edômita fa i Nebokadnetsara kosa naka an' i Jerosalema izay nikomy taminy (taona 597 tal. J.K.). Natao sesitany tany Babilôna ny mpanjaka Jôiakina sy ny olona maro ao amin' ny saranga ambony ary ireo mahay taozavatra tao Jerosalema ka niisa 3 000 izany araka ny Baiboly. Nobaboin' i Nebokadnetsara ny fananana tao amin' ny Tempoly sy ny tao amin' ny lapan' ny mpanjaka ka i Matania na Mataniasa (hebreo: Mattanyahu; grika: Mathanias) zanak' i Jôsia, izay niova anarana hoe Zedekia (na Sedekiasa), no notendreny handimby an' i Jôiakina.

Araka ny Boky faharoan' ny Mpanjaka (2Mpanj. 25.27-30) dia nafahan' i Amela-Mardoka (na Evila-Merodaka), izay nandimby an' i Nebokadnetsara, i Jôakina rehefa nigadra nandritra ny 37 taona, tamin' ny taona 562 tal. J.K.

Jereo koa hanova

Mpanjakan' i Jodà

Saoly - Isbôseta - Davida - Sôlômôna (na Salômôna) - Rehôbôama (na Rôbôama) - Abiama (na Abia) - Asa - Jôsafata - Jehôrama (na Jôrama) - Ahazia (na Ôkôziasa) - Atalia - Jôasy (na Jôasa) - Amazia (na Amaziasa) - Ozia (na Oziasa na Azaria na Azariasa) - Jôtama - Ahaza (na Akaza) - Hezekia (na Ezekiasa) - Manase - Amôna - Jôsia (na Jôsiasa) - Jôahaza (na Jôakaza) - Jôiakima (na Jôakima) - Jôiakina (na Jôasina na Jekônia na Jekôniasa) - Zedekia (na Sedekiasa).