Fanjakan' i Jodà

(tonga teto avy amin'ny Fanjakan'i Jodà)

Ny Fanjakan' i Jodà na Fanjakan' i Joda na Fanjakana Atsimo dia fanjakà-mpanjaka tany Atsinanana-Akaiky taloha naorin' ny Israelita tamin' ny Andron' ny Vy. Araka ny Baiboly dia teo anelanelan' ny taona 931 sy 586 tal. J.K. no nisian' io fanjakana io izay nifanefi-tany tamin' ny Fanjakan' i Samaria (na Fanjakan' i Israely) izay nifanohitra taminy. Araka ny Baiboly dia vokatry ny fivakisan' ny Fanjakan' i Israely izay mbola nitambatra izy sy ny Fanjakan' i Samaria taorian' ny nahafatesan' i Sôlômôna (Salômôna). Taorian' ny vanim-potoam-pandrosoana teo ambany fifehezan' ny Fanjakana Asiriana vaovao dia noravan' ny Babilôniana izy tamin' ny andron' i Nebokadnetsara II tamin' ny ady nifanaovan' i Egiptiana sy ny Babilôniana.

Fanjakan'i Israely sy Fanjakan'i Jodà tamin'ny taonjato faha-9 tal. J.K.

Ny fokon' i Israely tao amin' ny Fanjakan' i Jodà hanova

Roa fotsiny ny fokon' i Israely tafajanona tao amin' ny Fanjakan' i Jodà, dia ny fokon' i Jodà sy ny fokon' i Benjamina. Nisy ampahany tamin' ny fokon' i Levy izay nisahana ny resaka fivavahana tao amin' ny Fanjakan' i Jodà.

Lisitry ny mpanjakan' i Jodà hanova

Nanomboka teo amin' ny fanjakan' i Rehoboama na Roboama ka hatramin' ny fanjakan' i Zedekia na Sedekiasa ny lisitry ny mpanjakan' i Jodà. I Saoly na Saola sy i Isboseta sy i Davida ary i Sôlômôna na Salômôna dia mpanjakan' i Israely tamin' izy mbola fanjakana tokana tsy mivaky. Nisy roapolo mahery eo ny isan' ny mpajaka nifandimby nitondra tao Jodà raha tsy isaina i Saoly sy i Davida ary i Salômôna[1].

  1. Rehoboama na Roboama (hebreo: רְחַבְעָם / Rehav’am);
  2. Abia na Abiama (hebreo: אַבִיָּם / ’Aviyam);
  3. Asa (hebreo: אסא / ’Asa);
  4. Josafata (hebreo: יהושפט / Yehoshafat);
  5. Jehorama na Jorama (hebreo: יהורם / Yehoram);
  6. Ahazia na Okoziasa (hebreo: אחזיהו / ’Ahazyahu);
  7. Atalia (hebreo: עתליה / ‘Atalyah);
  8. Joasy na Joasa (hebreo: יהואש / Yehoash);
  9. Amazia na Amaziasa (hebreo: אמציה / ’Amatzyah);
  10. Ozia na Oziasa (hebreo: עזיה / ‘Uziyah) na Azaria na Azariasa (hebreo: עזריה / ‘Azaryah);
  11. Jotama (hebreo: יותם / Yotam);
  12. Ahaza na Akaza (hebreo: אחז / ’Ahaz);
  13. Hezekia na Ezekiasa (hebreo: חזקיה / Hizqiyah);
  14. Manase (hebreo: מנשה / Menasheh):
  15. Amona (hebreo: אמון / ’Amon);
  16. Josia na Josiasa (hebreo: יאשיהו / Yo’shiyahu);
  17. Joahaza na Joakaza (hebreo: יהואחז / Yeho’ahaz);
  18. Joiakima na Joakima (hebreo: יהויקים / Yehoyaqim);
  19. Joiakina na Joasina (hebreo: יהויכין / Yehoyakhin) izay atao hoe Jekonia na Jekoniasa koa (hebreo: יכניהו / Yekhonyahu);
  20. Zedekia na Sedekiasa (hebreo: צדקיהו / Tzidqiyahu).

Jereo koa hanova

Loharano sy fanamarihana hanova

  1. Amin'io lisitra io dia voasoratra aoloha ny anarana hita ao amin'ny Baiboly protestanta malagasy ary manaraka azy ny ao amin'ny Baiboly katolika malagasy raha toa ka tsy mitovy ny fomba nanoratana azy ao amin'ireo boky roa ireo Ny anarana amin'ny Baiboly hafa dia hita amin'ny pejin'ny mpanjaka tsirairay.