Ny fiteny tigrea dia fiteny etiôsemitika tenenina ao Eritrea sy ao Sodàna. izay anisan' ny fiteny semitika ao amin' ny fiteny hamitô-semitika.tenenina ao amin' ny Tandrok' i Afrika. Atao hoe ትግረ / tigre na ትግሬ / tigrē izy amin' ny fiteny tigrea. Ny ao Eritrea dia amanao azy hoe ትግራይት) / Tigrayit fa ny ao Sodàna kosa dia manao azy hoe الخاصية‎ / al-ḫāṣiyyah. Ny vahoaka tigrea ao Eritrea no tena miteny azy.

Sahala amin' ny fiteny tigrinia dia heverina ho fiteny velona mifandray akaiky amin' ny fiteny geezy (izay mbola ampiasaina ho fiteny litorjika ao amin' ny Fiangonana Teoahedo Ôrtôdôksa Etiôpiana sy ny Fiangonana Teoahedo Ôrtôdôksa Eritreana) ny fiteny tigrea. Ny 71 %n' ny voambolana tigrea dia itoviany amin' ny an' ny fiteny geezy fa ny 64 % no itoviany amin' ny an' ny fiteny tigrinia. Tamin' ny taona 1997 dia niisa 800 000 any ho any ny mpiteny tigrea ao Eritrea. Ny Tigrea (vahoaka tigrea) dia hita indrindra any amin' ny faritra andrefana ao Eritrea, na dia misy aminy ny monina any amin' ny tany avo any avaratr' i Eritrea sy any amin' ny sisintany itambarany amin' i Sodàna, sy any amin' ny morontsiraka eritreanan' ny Ranomasina Mena ao Zula.

Ny Tigrea dia tsy afangaro amin' ny mpifanila tany aminy ao atsimo, dia ny Tigraiana ao Eritrea sy ao Etiôpia izay miteny tigrinia. Nipoitra avy amin' ny fiteny geezy ny fiteny tigrinia, nefa samy hafa tanteraka amin' ny fiteny tigrea na dia mitovitovy ny anarana iantsoana azy roa ireo.

Jereo koa hanova

Fiteny hamitô-semitika:

Fiteny be mpampiasa ao Afrika:

Ireto ireo fiteny be mpampiasa ao Afrika: ny fiteny afrikansa, agny, amharika, anglisy, arabo, bambara, baole, berbera, bete, diola, fanga, fola (na fiteny peola), frantsay, haosa, iôroba, kitoba, lingala, malagasy, môre, pôrtogey, soahily, sômaly, sôninke, soso, tigrinia, vôlôfo ary zolo.

Fiteny etiôpika: