Fiangonana Ôrtôdôksa Teoahedo Etiôpiana

Ny Fiangonana Ôrtôdôksa Etiôpiana na Fiangonana Ôrtôdôksa Teoahedo Etiôpiana dia fiangonana antekalkedôniana niforona tao Etiôpia, mahaleo tena hatramin' ny taona 1959, izay miombona ao amin' ny Fiangonan' ny kônsily telo. Anisan' ny fiangonana kristiana tranainy indrindra maneran-tany izy satria efa niforona tany amin' ny taonjato faha-4. Atao hoe የኢትዮጵያ ኦርቶዶክስ ተዋሕዶ ቤተ ክርስቲያን / Yäiotyop'ya Ortodoks Täwahedo Bétä Krestiyan izy amin' ny teny amharika.

Foiben' ny Fiangonana Ôrtôdôksa Etiôpiana ao Addis-Abeba.

Manaraka ny fombam-pivavahana geezy io fiangonana io. Ny lehibeny amin' izao fotoana anoratana izao (2019) dia i Mathias, izay voafidy tamin' ny 28 Febroary 2013 sady nandimby an' i Paulos.

Pretra ao amin' ny Fiangonana Ôrtôdôksa Etiôpiana

Tsy dia nanam-pifandraisana firy amin' ny fiangonana kristiana hafa maneran-tany ny Fiangonana Ôrtôdôksa Etiôpiana teo anelanelan' ny taonjato faha-7 hatramin' ny faha-14, ka nahitana fiainana ara-panahy sy teôlôjia ary fanao litorjika azy manokana, izay iharan' ny Testamenta Taloha. Mônôfizita ny Fiangonana Ôrtôdôksan' i Etiôpia. Anisan' ny boky kanônikany ny Bokin' ny Fiakaran' i Isaia sy ny Bokin' ny Jobily ary ny Bokin' i Henôka.

Jereo koa hanova