Fiteny amharika
Ny fiteny amharika dia fiteny ao amin' ny vondrom-piteny semitika tenenina any Etiôpia. Izy io dia fiteny semitika faharoa amin' ny lafin' ny isan' ny mpiteny, eo aorian' ny fiteny arabo. Io no fitenin' ny vahoaka Amhara. Noho ny pôlitika mikasika ny fiteny talohan' ny fahalatsahan' ny Defg, ampiasain' ny ankabeazan' ny mponina any Etiôpia ilay fiteny, ary ny mpiteny azy ireo dia na mampiasa azy amin' ny maha fitenin-dreny na maha fiteny faharoa nianarana na fiteny ampiasaina eny ivelany azy. Any Etiôpia, fiteny ampiasaina amin' ny fandraharahana ny fiteny amharika.

Tsy manana sata ôfisialy intsony ny fiteny amharika nanomboka tamin' ny nampiharana ny Lalampanorenan' ny taona 1994, nanambara ny andininy faha 5-1 fa mitovy sata avokoa ny fiteny tenenina ao Etiôpia. Kanefa ny andininy faha 5-2 dia milaza fa teny fiasan' ny governemanta federaly ny fiteny amharika.
Any ivelan' i Etiôpia, ny fiteny amharika dia tenenin' ny mponina miisa 2,7 tapitrisa miaina any Ejipta, any Israely, any Jibotia, any Iemena, any Sodàna, na koa any Soeda (tenenin' ny mponina vitsivitsy, matetika avy any Etiôpia ny ankabeazan' izy ireo) na any Eritirea ho an'ireo izay mbola niaina tambanin' ny fandraharahana Etiôpiana talohan' ny taona 1993.
Tantara Hanova
Ny soratra voalohany amin'ny teny amharika dia nosoratana tany amin' ny taonjato faha-13 tany ho any.
Fanoratana ny fiteny amharika Hanova
Ny fiteny amharika dia soratana amin' ny alàlan' ny abogida avy amin' ny fiteny gezy.
ä | u | i | a | e | ə | o | |
---|---|---|---|---|---|---|---|
h | ሀ | ሁ | ሂ | ሃ | ሄ | ህ | ሆ |
l | ለ | ሉ | ሊ | ላ | ሌ | ል | ሎ |
h | ሐ | ሑ | ሒ | ሓ | ሔ | ሕ | ሖ |
m | መ | ሙ | ሚ | ማ | ሜ | ም | ሞ |
s | ሠ | ሡ | ሢ | ሣ | ሤ | ሥ | ሦ |
r | ረ | ሩ | ሪ | ራ | ሬ | ር | ሮ |
s | ሰ | ሱ | ሲ | ሳ | ሴ | ስ | ሶ |
š | ሸ | ሹ | ሺ | ሻ | ሼ | ሽ | ሾ |
q | ቀ | ቁ | ቂ | ቃ | ቄ | ቅ | ቆ |
b | በ | ቡ | ቢ | ባ | ቤ | ብ | ቦ |
t | ተ | ቱ | ቲ | ታ | ቴ | ት | ቶ |
č | ቸ | ቹ | ቺ | ቻ | ቼ | ች | ቾ |
h | ኀ | ኁ | ኂ | ኃ | ኄ | ኅ | ኆ |
n | ነ | ኑ | ኒ | ና | ኔ | ን | ኖ |
ñ | ኘ | ኙ | ኚ | ኛ | ኜ | ኝ | ኞ |
ʾ | አ | ኡ | ኢ | ኣ | ኤ | እ | ኦ |
k | ከ | ኩ | ኪ | ካ | ኬ | ክ | ኮ |
h | ኸ | ኹ | ኺ | ኻ | ኼ | ኽ | ኾ |
w | ወ | ዉ | ዊ | ዋ | ዌ | ው | ዎ |
ʾ | ዐ | ዑ | ዒ | ዓ | ዔ | ዕ | ዖ |
z | ዘ | ዙ | ዚ | ዛ | ዜ | ዝ | ዞ |
ž | ዠ | ዡ | ዢ | ዣ | ዤ | ዥ | ዦ |
y | የ | ዩ | ዪ | ያ | ዬ | ይ | ዮ |
d | ደ | ዱ | ዲ | ዳ | ዴ | ድ | ዶ |
ǧ | ጀ | ጁ | ጂ | ጃ | ጄ | ጅ | ጆ |
g | ገ | ጉ | ጊ | ጋ | ጌ | ግ | ጎ |
t' | ጠ | ጡ | ጢ | ጣ | ጤ | ጥ | ጦ |
č' | ጨ | ጩ | ጪ | ጫ | ጬ | ጭ | ጮ |
p' | ጰ | ጱ | ጲ | ጳ | ጴ | ጵ | ጶ |
s' | ጸ | ጹ | ጺ | ጻ | ጼ | ጽ | ጾ |
s' | ፀ | ፁ | ፂ | ፃ | ፄ | ፅ | ፆ |
f | ፈ | ፉ | ፊ | ፋ | ፌ | ፍ | ፎ |
p | ፐ | ፑ | ፒ | ፓ | ፔ | ፕ | ፖ |
Jereo koa Hanova
Fiteny hamitô-semitika:
Fiteny be mpampiasa ao Afrika:
Ireto ireo fiteny be mpampiasa ao Afrika: ny fiteny afrikansa, agny, amharika, anglisy, arabo, bambara, baole, berbera, bete, diola, fanga, fola (na fiteny peola), frantsay, haosa, iôroba, kitoba, lingala, malagasy, môre, pôrtogey, soahily, sômaly, sôninke, soso, tigrinia, vôlôfo ary zolo.
Fiteny etiôpika: