Ny fiteny ao Malỳ dia fiteny maro dia maro, izay ao amin' ny fianakaviam-piteny samihafa (nizerô-kôngôley, nilô-sahariana, hamitô-semitika, indô-eorôpeana). Ny fiteny frantsay no fiteny ôfisialin' i Malỳ. Fiteny mande maro (ahitana ny fiteny bambara sy mandinga ary diola), ny fiteny vôltaika (ahitana indrindra ny fiteny dôgôna sy senofô), ny fiteny sôngay, ny fiteny hasanià ary ny fiteny tamaseka dia mbola ampiasaina ao amin’ ny vondrom-poko samihafa. Ny fiteny bambara no miha lasa fiteny ifandraisana manerana an' i Malỳ, ampiasain' ny 50 %n' ny Maliana. Fitenim-pirenena ny fiteny bambarà, ny fiteny bôbô, ny fiteny bôzô, ny fiteny dôgôna, ny fiteny folany, ny fiteny sôninke, ny fiteny sôngay (na sôngôy), ny fiteny senofô-minianka, ny fiteny tamaseka, ny fiteny hasanià, ny fiteny kasônke, ny fiteny mandinka ary ny fiteny maninkakàna.

Ny fiteny frantsay no fiteny amin' ny asa ary ny tenim-pirenena telo ambin' ny folo no fiteny ôfisialin' ilay firenena, ampiasain' ny fanjakana, ny fitantanan-draharaha ary ny fanabeazana. Tamin' ny taona 2015 dia Maliana miisa 2 744 000 no miteny frantsay, izany hoe 17 % amin' ny mponina ao amin' ilay firenena, izay mahatonga ny fiteny frantsay ho fiteny faharoa be mpampiasa indrindra ao Malỳ aorian' ny fiteny bambara.

Ny fiteny bambara, izay anisan' ny fiteny mande sady iray amin' ireo fitenim-pirenena telo ambin' ny folo sady fiteny ôfisialy ao Malỳ, anefa no fiteny ifaneraserana ampiasaina ao amin' ilay firenena ary ampiasaina be amin' ny asa andavanandro; io no fitenin-drenin' ny maro ao Maly (46 %) sady be mpampiasa indrindra (52 %), na dia tsy miparitaka manerana ny tanim-pirenena aza.

Jereo koa hanova