Ny Fanjakan' i Boina na Fanjakan' Iboina (antsoina hoe Iboina) dia fanjakana niorina teto Madagasikara tamin' ny taona 1690 tany ho any ary nampidirina tao amin' ny Fanjakana Merina tamin' ny taona 1840. Tany amin' ny faritry ny Helodranon' i Boina any avaratra-andrefan' i Madagasikara no nisy azy io. I Mahajanga no tanàn-dehibe tao aminy. Iray amin' ny fanjakana roa lehibe teo amin' ny Sakalava izy io, ka ny faharoa dia ny Fanjakan' i Menabe.

Sainan' ny Fanjakan' i Boina

Tantara

hanova

Naorin' ny mpanjaka Andriamandisoarivo ny Fanjakan' i Boina tamin' ny taona 1690 any ho any. Andrimandisoarivo dia zanak' i Lahifotsy, mpanorina ny fanjakana sakalava, ary nahazo izany fanjakana izany taorian' ny ady nifandimby hahazoana ny faritra avaratra, izay nanorenany ny fanjakany. Teo amin' ny Helodranon' i Boina any amin' ny faritra avaratra-andrefan' i Madagasikara no niorenany.

Tamin' ny taompolo 1690 dia jiolahin-tsambo eorôpeana 500 teo ho eo no nanangana toby fiasana teny amin' ny morontsiraka avaratr' i Madagasikara. Andrianamboniarivo dia nanendry an' i Tom Similaho ho praiminisitra izay jiolahin-tsambo anglisy ny rainy ary vehivavy malagasy ny reniny.

Fotoana fohy taorian' ny taona 1832 dia nofehezin' ny Merina ity fanjakana ity ary tafiditra tao amin' ny Fanjakan' i Madagasikara tamin' ny taona 1840. Ny mpanjakavavy Tsiomeko no nitondra farany ny Fanjakan' i Boina.

Ny mpanjakan' i Boina dia noheverina ho toy ny andriamanitra, mpanelanelana amin' ny andriamanitra sy ny razana. Izany finoana izany dia hita indrindra amin' ny fanatanterahana ny Fanompoambe. Azy ny tany. Any amin' ny farany avaratry ny Nosy dia nandoa hetra amin' i Boina ny Fanjakana Antankarana.

Ny mpitondra ny Fanjakan' i Boina

hanova

Jereo koa

hanova

Rohy ivelany

hanova