I Tsiomeko (1828–1843) dia mpanjakavavy sakalava nitondra ny Fanjakan' i Boina teo anelanelan' ny taona 1836 sy 1839[1]. Tamin' ny taona 1840 dia rava io fanjankana io noho ny fampidiran' ny Merina azy ao amin' ny Fanjakan' i Madagasikara.

I Tsiomeko dia zanakavavin' i Taratra ary zafikelin' ny mpanjaka Andriantsoly, izay noroahin' ny tafika merina tao Boina. Lasa mpanjakavavy izy tamin’ ny taona 1836, teo amin' ny faha valo taonany, nandimby ny mpanjakavavy Oantitsy, anabavin' ny mpanjaka Andriantsoly. Tamin' ny taona 1839 dia noroahin’ ny Merina hiala ny trano fonenany izy ary nandositra nankany Nosy Komba. Tao izy dia nangataka fiarovana tamin' ny Frantsay ary nanao sonia fifanarahana tamin' ny mpanjakavavy ny amiraly de Hell mba hahatonga an' i Boina ho prôtektôrata frantsay. Nitsahatra ny maha mpanjakavavy an' i Tsiomeko rehefa nampidirina tao amin' ny Fanjakana Merina ny fanjakany tamin' ny taona 1840. Maty tamin' ny 1843 izy.

Lisitry ny mpanjakan' i Boina

hanova

Loharano sy fanamarihana

hanova
  1. G. Grandidier et R. Decary. Guillaume Grandidier, Histoire politique et coloniale: Histoire des populations autres que les Merina. f. 1. Betsileo, Betsimisaraka, Antanosy, Sihanaka, Tsimihety, Bezanozano, Antanala, Antankarana, Bara, Mahafaly, Antandroy, Impr. officielle, 1958