Andriamandisoarivo
Andriamandisoarivo dia mpanjaka sakalava, tamin' ny taona 1690-1720, zanak' Andriandahifotsy, rahalahin' Andriamanetriarivo, izay nandroaka azy tamin' ny taona 1685. Nianavaratra niaraka tamin' ny mpomba azy Andriamandisoarivo ka naharesy an' Ambongo, avy eo ny Antalaotran' ny Nosy Manja (helodranon' i Mahajamba) sy an' i Boina, ary nanorina ny Fanjakan' Iboina ka i Tongay no nataony renivohiny[1]. Andrianamboniarivo (1720-1730) no nandilby azy.
Lisitry ny mpanjakan' i Boina
hanova- Andriamandisoarivo (Tsimanata) (1690-1720)
- Andrianamboniarivo (Toakafa) (1720-1730)
- Andriamahatindriarivo (1730-1760)
- Andrianahilitsy (1760-1767)
- Andrianiveniarivo (1767-1770)
- Andrianihoatra (1770-1771)
- Andrianikeniarivo (1771-1777)
- Andrianaginarivo (1777-1778), mpanjakavavy
- Tombola (1778), mpanjakavavy
- Ravahiny (1778-1808), mpanjakavavy
- Tsimalomo (1808-1822?)
- Maka (Andrianaresy) (1808)
- Andriantsoly (1822-1832)
- Oantitsy (1832-1836), mpanjakavavy
- Tsiomeko (1836-1840), mpanjakavavy