I Debôrà dia mpaminanivavy izay nitsara ny Zanak' i Israely tanatin' ny 40 taona sady anisan' ireo atao hoe mpitsara lehibe araka ny Bokin' ny Mpitsara (Mpits. 4-5). Nandimby an' i Samgara izy sady nodimbasan' i Gideôna. Atao hoe דְּבוֹרָה / Dəḇōrāh izy amin' ny teny hebreo, izay azo adika hoe "renitantely".

I Debora, nataon'i Gustave Doré, taona 1866.

Nikambana tamin' i Debôrà, izay avy any amin' ny tendrombohitr' i Efraima, i Baraka avy any Kadesy any Naftaly raha nahita ny fandrahonana nataon' i Sisera avy any Haroseta ha-Gôima. (I Sisera dia mety ho mpitari-tafik' ireo Mponina avy any an-dranomasina.) Nandresy ny tafik' i Sisera izy ireo teo akaikin' ny ony Kisona, noho ny firotsahan' ny oram-batravatra izay nahatonga ny fiaran' ireo fahavalo ho rendrika. Izany no ady tao amin' ny ranon' i Megidô.

Jereo koa hanova