Chromista
Ny Chromista dia "fanjakana" biôlôjika pôlifletika, voadio avy amin' ny Chromalveolata, ahitana karazana eokariota tokan-tsela sy maro sela, izay manana toetra itoviana ao amin' ny ôrganela na ôrganita manao fôtôsentezy (atao hoe plasta na plastida). Tafiditra ao anatin' ity fanjakana ity ny eokariôta rehetra izay manana plastida misy famaitso c sady voahodidina fonontsela efatra. Efa nanana klôrôplasta avy amin' ny fiaraha-miaina anatin' ny ahidrano mena ny razambeny, nahavery ny fahafahana manao fôtôsentezy anefa ny Chromista tsy afaka manao izany ankehitriny. Mety ho nipoitra amin' ny fomba tsy mifampiankina ny mpikambana ao aminy izay vondrona nivoatra miandalana amin' ny fomba misaraka avy amin' ny razambe eokariôta iraisana farany.
Noforonin' ilay biôlôjista britanika Thomas Cavalier-Smith tamin' ny taona 1981 ny maha taksôna ny Chromista mba hanavahana ny Stramenopiles sy ny Haptophyta ary ny Cryptophyta. Araka ny voalazan' i Cavalier-Smith dia ahitana eokariôta manao fôtôsintezy (ahidrano) ny ampahany be amin' ny fanjakana Chromista, saingy nampiditra heterôtrôfa (Protozoa, mivelona amin' ny akora ôrganika) maro tao amin' ilay vondrona izy tatỳ aoriana. Tamin' ny taona 2018, ity fanjakana ity dia saika mitovy fisian-karazana samifaha amin' ny fanjakana Plantae sy Animalia, izay misy sampana valo. Ny ahidrano an-dranomasina, ny karazan-kolatra Phytophthora infestans (miteraka ny aretin' ny ovy sy ny voatabia), ny Dinoflagellata, ny Paramecium, ny katsentsitry ny atidoha Toxoplasma, ary ny katsentsitry ny tazomoka Plasmodium no mpikambana fantatra indrindra ao.
Na izany aza, ny fiheveran' i Cavalier-Smith momba ny mônôfilian' ny Chromista dia nolavin' ny mpikaroka hafa izay mihevitra fa azo inoana kokoa fa nahazo ny plastidany tamin' ny fampidirana Chromista hafa ny Chromista sasany fa tsy nandova izany tamin' ny razambe iraisana. Heverina fa niverimberina matetika izany ka nahatonga ny fiparitahan' ny plastida mena avy amin' ny vondrona iray mankamin' ny iray hafa. Ny plastida, satria tsy mampiray ny mpampiantrano azy ao amin' ny klady tokana, dia manana tantara hafa tsy iraisany amin' ny mpampiantrano isan-karazany. Toa avy amin' ny Rhodophytina izy ireo, ary niampita nankany amin' ny Cryptophytina ary avy amin' izy ireo nankany amin' ny Ochrophyta sy amin' ny Haptophyta, ary amin' ny farany nankany amin' ny Myzozoa.