Angôvo
(tonga teto avy amin'ny Angovo)
Ny angôvo dia fahafahan' ny lamina iray manova ny endrika, manao asa mampisy hetsika, na hazavana na hafanana.
Ny angôvo ao amin' ny mari-drefy iraisam-pirenena dia refesina amin' ny joule. Ny kilowatt-ora no ampiasaina rehefa amin' ny fiainana andavanandro, ary ny elektrôna-volt no ampiasaina amin' ny fizika. Azo afamadibadika ireo mari-drefy ireo amin' ny alalan' ny tsy miova. Tsindraindray koa dia ampiasaina ny taonin-tsolika manakaiky.