Sela
Ny sela no singa biôlôjika fototra ara-drafitra sy miasa amin' ny zavamananaina. Izy io no singa velona kely indrindra afaka mitombo isa amn' ny fomba mahaleo tena.
Ny zavamananaina maro dia voaforon' ny sela iray ihany: ireo dia zavamananaina tokan-tsela, toy ny bakteria sy ny arkea ary ny ankamaroan' ny prôtista. Ny hafa dia voaforon' ny sela maro: ireo dia zavamananaina maro sela, toy ny zavamaniry sy biby. Ireto farany ireto dia misy sela maro izay miovaova isa arakaraka ny karazan-javamananaina; ny vatan' olombelona ohatra dia manana sela manodidina ny iray hetsy lavitrisa (1014), sady onenan' ny bakteria miisa avo iray ka hatramin' ny folo heny, izay aniszn' ny mamorona ny mikrôbiôta ao aminy ary kely lavitra noho ny selan' olombelona. Ny ankamaroan' ny selan' ny zavamaniry sy ny an' ny biby dia tsy hita afa-tsy amin' ny mikrôskôpy, satria manana savaivo eo anelanelan' ny 10 sy 100 µm.
Avy amin' ny sela hafa efa nisy teo aloha foana ny sela, ary mirakitra ny fampahalalana momba ny fototarazo ilaina amin' ny fiasany sy amin' ny fampitana ny lova ho an' ny sela ao amin' ny taranaka manaraka.
Ny sela voalohany dia niseho teto an-tany, fara fahakeliny, 3,7 lavitrisa taona lasa izay, ary angamba efa tany amin' ny 4 lavitrisa taona lasa.