Ny tambatsela dia fitambarana sela mitovy sy iray fiaviana, mitambatra ho vondrona, tambajotra na amboara (tsiraka). Io no mandrafitra ny dingam-pandaminana eo anelanelan' ny sela sy ny taova feno. Mamorona fitambarana iray manana ny asany manokana ny tambatsela, izany hoe mandray anjara amin' ny asa mitovy ny sela ao aminy. Mihavao tsy tapaka ny tambatsela. Ny taova dia miforona amin' ny alalan' ny fivondronan' ny tambatsela maro.

Firan' ny fitatitra antsisiny
Fijerena amin' ny fanitajery ny sombina havokavok' olombelona, ​​ahitana tambatsela isan-karazany: ra, tambatsela mpampikambana, endôteliôman' ny lalandra sy temitry ny taovam-pisefoana, nolokoana amin' ny hematôksilinina sy eôsinina.

Ny zavamananaina dia manaraka an' izao ambaratonga izao: sela < tambatsela < taova < rafitra taova < ôrganisma.

Jereo koa

hanova