Orogoay
I Orogoay dia firenena ao Amerika Atsimo, manana morontsiraka ao amin' ny Ranomasimbe Atlantika. I Montevideo no ny renivohiny. Ny tanàna lehibe indrindra dia i Montevideo. Mirefy 176 215 km2 ny velarany ary niisa, 3.444.263 ny mponina tao aminy araka ny fanisana natao tamin' ny volana Jolay 2011. Ny faritr' orany dia +11.
Ny tanim-pirenen' i Orogoay dia fitohizan' ny Pampa Arzantina: amin' ny ankapobeny dia tany lemaka mialonalona aniriana ahitra ny ankabeazan' ny tanin' i Orogoay. Ny ony Negro (izay mamakivaky an' ilay firenena avy any atsinanana ka hatrany andrefana) sy ny ony Uruguay (izay zary sisintany manasaraka azy amin' i Arzantina, any andrefan' ilay firenena) no korian-drano lehibe indrindra ao Orogoay.
Ny ankamaroan' ny Orogoaiana dia taranaky ny Eorôpeana. Katôlika ny ankamaroany. Monina an-tanàn-dehibe ny mponina ary mipetraka indrindra any amin' ny morontsirak' i Atlantika. Ny indostria sy ny fizahan-tany dia mitana toerana lehibe eo amin' ny toekaren' i Orogoay. Na izany aza, ny fambolena sy ny fiompiana dia mbola mijanona ho sehatra tena ilaina: ny fiompiana (ondry sy omby), izay fanao eny amin' ny lemaka lehibe, dia miantoka ny ampahany lehibe amin' ny fanondranana mankany ivelany, ka hena sy volonondry (ity firenena ity dia anisan' ny mpamokatra volonondry voalohany eran' izao tontolo izao) sy hoditra. Mivoatra koa ny jono. Zanatany espaniôla taloha, Orogoay dia nahaleo tena nanomboka tamin' ny 1828.
Fizarana administratif
hanova
|
Jereo koa
hanova- Firenena ao Amerika: Antigoa-sy-Barboda - Arjentina - Bahamasy - Barbady - Belizy - Bôlivia - Brezila - Dôminika - Ekoadôra - Etazonia - Goatemala - Goiana - Grenady - Haity -Hôndorasy - Jamaîka - Kanada - Kioba - Kôlômbia - Kôsta Rika - Meksika - Nikaragoa - Orogoay - Panama - Paragoay - Però - Pôrtô Rikô - Repoblika Dôminikana - Salvadôro - Santa Losia - Santa-Kity-sy-Nevisy - Santa-Vinsanta-sy-Grenadina - Silia - Sorinama - Trinite-sy-Tôbagô -Venezoela
- Kôntinenta eto an-tany: Afrika - Amerika (Amerika Avaratra - Amerika Atsimo) - Azia - Eorôpa - Ôseania - Antarktika
I Wikimedia Commons dia manana aino aman-jery mikasika an'i : Uruguay |