Joliosy Kaisara

(tonga teto avy amin'ny Jolio Kaisara)
Joliosy Kaisara
Gaius Iulius Caesar (Vatican Museum).jpg
Ankapobeny
Anarana Joliosy Kaisara
Teraka 12 Jolay -100
Maty 15 Martsa -44
Fiaviana sy ny andraikitra
Firenena Repoblika Romana, Roma Taloha
Asa :
Fiainana manokana

Joliosy Kaisara na Jolio Kaisara dia mpanao pôlitika, jeneraly, kônsoly, mpanoratra, miaramila, mpanao asa soratra mizaka ny zom-pirenen' nyRepoblika Rômana, Rôma Taloha teraka ny 12 Jolay 100 tal. J.K. tao Rôma ary maty ny 15 Marsa 44 tal. J.K. tao Rôma.

Ny fiainany manokanaHanova

I Gaio Jolio Kaisara (latina: Gaius Julius Caesar) no rainy. Ny vadiny dia i Cornelia Cinna Minor, Pompeia, Calpurnia Pisonis. Ny zanany dia Julia Caesaris, Caesarion.

I Jolio Kaisara (izay antsoina amin' ny teny latina hoe Caius Iulius Caesar IV tamin' ny fahaterahany, Imperator Iulius Caesar Divus taorian' ny fahafatesany) dia mpitari-tafika sy mpanao pôlitika ary mpanoratra rômana, teraka tao Rôma tamin' ny 12 na 13 Jolay taona 100 tal. J.K. ary maty tamin' ny 15 marsa taona 44 tal. J.K. tao Rôma ihany koa.

Nisy akony lehibe teo amin' ny tontolo rômana sy ny tantaran' izao tontolo izao ny fiainan' i Jolio Kaisara: be hambom-po sy manan-tsaina izy, nankininy tamin' ny firehan' ny fanavaozana sy ny kobakambava ny fiakarana pôlitikany; havanana amin' ny fanaovana paikady sady kinga izy, naitany hatrany Rhinet any Atlantika ny sisin-tany romana tamin' ny nahazoan an' i Galia, avy eo nampiasainy ny antokon-tafiny mba hahazoany ny fahefana. Nampisalotra ny tenany ny anaram-boninahitra hoe "mpanao didy jadona mandra-pahafatiny" izy, dia nisy namono fotoana fohy taorian' ny fiokoan' ireo loholona (senatera). Nivavahana toy ny andriamanitra izy ary ny zananilahy natsangany atao hoe Ôktavio, izay nandresy an' i Marko Antônio, no namarana ny fanavaozana ny Repoblika Rômana izay nosoloan' ny printsipata sy ny Empira Rômana.

Jereo koaHanova

Rohy ivelanyHanova

 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.