Aogosto
Aogosto
| |||
Ankapobeny | |||
Anarana | Aogosto | ||
Teraka | 23 Septambra 63 tal. J.K. | ||
Maty | 17 Aogositra 14 tal. J.K. | ||
Fiaviana sy ny andraikitra | |||
Firenena | Roma Taloha | ||
Asa : | |||
Fiainana manokana | |||
Aogosto dia mpanao politika mizaka ny zom-pirenen'i Roma Taloha teraka ny 23 Septambra -63 tao Roma ary maty ny 17 Aogositra 14

Ny fiainany manokana Hanova
I Gaio Oktavio no rainy. Ny vadiny dia Klodia Polkra, Skribonia, Livia. Ny zanany dia Jolia Zokiny.
Raha maty Joliosy Kaisara (Julius Caesar), ny zanak' anabaviny na rahalahiny atao hoe Ôktavio no nandimby azy. Manamboninahitra nalaza indrindra tamin' ny ady ara-tafika izy; ary rehefa nanjaka izy, dia nataony anarany ny hoe Kaisara Aogosto ("malaza" na "hajaina", izany.) Ary rehefa izany indray, dia novana ny anaran' ny volana rômana Sextilis ("(volana) fahenina") ka natao hoe Augustus, ho fahatsiarovana an' i Kaisara Aogosto.
Emperora rômana izy tamin' ny andro nahaterahan' i Jesoa Kristy. Fa tsy nanao soa loatra an' i Kristy, tsy nanao ratsy taminy, Aogosto. Fa nisy zavatra nataony izay nahagaga ny sasany. Nisy tempoly natao hoe Tempolin' i Janus; ary raha nisy ady tamin' ny Rômana dia novohany ny varavarana rehetra tamin' izany tempoly izany, fa nivavaka tamin' ny sampy ny olona. Ary kosa, raha tsy nisy ady dia narindrina ny varavarany rehetra, fa angamba tsy nisy olona nahita azy mirindrina talohan' izany andro izany. Fa raha teraka Jesoa Kristy, izay lazain' ny Kristiana fa Zanak' Andriamanitra, Tompon' ny Fiadanana, dia nandry tsara ny firenena rehetra amin' izao rehetra izao. Tsy nisy ady na tamin' ny Rômana aza, dia narindrin' i Kaisara Aogosto ny varavarana rehetra tao amin' ny Tempoly Janus, ary dia faly ny olona maro.
Jereo koa Hanova
Rohy ivelany Hanova
- Ao amin'i Freebase: [1] Archived Janoary 14, 2016 at the Wayback Machine