Tetiandro egiptiana
Ny tetiandro egiptiana tamin'ny Andro Taloha izay atao hoe tetiandro nilotika koa dia tetiandro manara-masoandro. Voatsinjara ho roa ambin'ny folo volana misy telopolo andro avy ao amin'ny fizaran-taona telo ny iray taona. Izao ireo fizaran-taona ireo: Akhet sy Peret ary Chemu. Ireto kosa ny anaram-bolana: Thout, Phaophi, Athyr, Khoiak (ao amin'ny fizaran-taona Akhet); Tybi, Mekhir, Phaminoth, Pharmouti (ao amin'ny fizaran-taona Peret); Pakhon, Payni, Epiphi, Mésori (ao amin'ny fizaran-taona Chemu).