Fiteny indôneziana

(tonga teto avy amin'ny Teny indôneziana)
Nuvola apps ksig.png
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Ny fiteny indôneziana dia fiteny ôfisialin' ny Repoblikan' Indônezia. Anisan' ny fiteny miasa ihany koa io fiteny io any amin' ny Repoblikan' i Timôro Atsinanana. Iray amin' ireo endriky ny fiteny malay (bahasa Melayu) ny fiteny indôneziana. Tsy tenin-drenin' ny ankamaroan' ny Indôneziana io fiteny io. Any am-pianarana ny ankizy indôneziana vao mianatra an' io fiteny io. Fitenim-paritry ny fiteny malay any amin' ny faritra atsinanana amin' ny nosy Sumatra sy ao amin' ny faritanin' i Riau ary any anindran' ny nosy Bôrneô ny fiteny indôneziana. Miisa 225 tapitrisa ny mpiteny indôneziana. Atao hoe Bahasa Indonesia, izay hoe "fitenin' i Indônezia", io fiteny io amin' ny teny indôneziana.