Fiteny malaîka
Ny fiteny malaîka dia vondrom-piteny ao amin' ny sampam-piteny malaiô-pôlineziana ao amin' ny fianakaviam-piteny aostrôneziana. Miisa 53 ireo fiteny ireo ary nantsoina amin' io anarana io, izay avy amin' ny anaran' ny fiteny maley na malay izay zana-bondrona lehibe indrindra ao. Ny toetra somary ntaolontaolo ananan' ireo fiteny ibanika sy kendaiana dia nahatonga ny mpahay teny neerlandey A. Adelaar hihevitra fa ny tany nipoirana sy nitomboan' ny fiteny malaîka dia ao Bôrneô. Iarahan' ny mpahay teny sy ny manam-pahaizana manokana amin' ny tontolo aostrôneziana manaiky izany tsangan-kevitra izany.
Fansokajiana ny fiteny ao amin' ilay vondrona
hanovaFiteny ibanika
hanova- Fiteny balao (Malezia, Sarawak);
- Fiteny ibàna (Malesia, Sarawak);
- Fiteny moalanga (Indônezia, Kalimantàna);
- Fiteny remona (Malezia, Sarawak);
- Fiteny seberoanga (Indônezia, Kalimantàna);
- Fiteny seboiao (Malezia, Sarawak)
Fiteny kendaiana
hanova- Fiteny keninjala (Indônezia, Kalimantàna);
- Fiteny kendaiana (Indônezia, Kalimantàna),
Fiteny malay
hanovaNy vondrom-piteny maley dia ahitana fiteny miisa 45, tenenina ao Somatra, saikanosin' i Malacca, ary any Bôrneô.