Fiteny ao Indônezia

Ny fiteny ao Indônezia dia fiteny maro, miisa 700 mahery ampiasaina manerana an' ilay vondronosy midadasika. Ny fisian' ireo karazana fiteny be dia be ireo dia mahaforona ny 10 % amin' ny fitambaran' ny fiteny maneran-tany, ka mametraka an' i Indônezia ho firenena faharoa manana fiteny betsaka indrindra eran-tany, manaraka an' i Papoazia-Ginea-Vaovao.

Sary sy soratra ao Yogyakarta mamporisika ny olona hanao laharam-pahamehana ny fiteny indôneziana

Ny fisian' ireo karazana fiteny ba dia be ireo dia vokatry ny halehiben' i Indônezia, fa indrindra noho ny jeôgrafiany: ny Vondronosy Indôneziana dia foronina nosy efa ho 1 7000, ny nosy maromaro lehibe amin' izy ireo dia ahitana tendrombohitra afotroa mideza sy ala mikitroka. Izany toe-javatra izany dia manazava ny fitokana-monin' ny vahoaka maro sy ny faharetan' ny kolontsainy sy ny fivavahany ary ny fiteniny isan-toerana hatramin' izao.

Ny ankamaroan' ny fitenin' i Indônezia dia ao amin' ny sampana malaiô-pôlinezianan' ny fianakaviam-piteny aostrôneziana, izay miely any amin' ny tapany andrefana sy afovoan' i Indônezia, izany hoe mandrakotra saika ny vondronosy manontolo ka hatrany amin' ny Ranomasin' ny Maluku, ao anatin' izany ny fiteny aseney sy sondaney ary boginey. Mifanohitra amin' izany kosa ny tapany atsinanana, indrindra fa i Papoazia sy ny nosy Maluku, izay ahitana ny mponina mampiasa ny fiteny papoa maherin' ny 270, izay miavaka amin' ny fianakaviam-piteny aostrôneziana sady maneho lova ara-piteny tokana. Ny fiteny be mpampiasa indrindra amin' ny maha fitenim-pirenena azy dia ny fiteny javaney, indrindra fa ny fiteny javaney any amin' ny faritra afovoany sy atsinanan' ny nosy Java, ary koa manerana ny nosy maro hafa vokatry ny fifindra-monina.

Ny fiteny any Indônezia dia misy sokajy sivy: fitenim-pirenena, fiteny teratany ampiasaina eny ifotony, lingua franca isam-paritra, fiteny vahiny sy fiteny fanampiny, fiteny nolovaina, fiteny eo amin' ny sehatra ara-pivavahana, fiteny anglisy amin' ny maha lingua franca azy, ary fitenin' ny tanana.

Hatramin' ny nahazoany ny fahaleovantenany dia mampiasa fiteny tokana ho an' ny fitantanan-draharaha sy ny fanabeazana i Indônezia: ny fiteny indôneziana. Ny fiteny ankoatr' ity fitenim-pirenena ity dia antsoina hoe Bahasa Daerah, izany hoe fiteny isan-toerana. Tombanana fa tamin' ny taona 2006 dia eo ho eo amin' ny antsasaky ny Indôneziana no manao ny fiteny isam-paritra ho fiteny nibeazany. Ireo izay manao ny fiteny indôneziana irery ihany ho fiteny nibeazany amin' ny ankapobeny dia avy any Java, izay matetika anjavonan' ny fiteny ao an-toerana, saingy azo inoana koa fa avy amin' ny tsy fitovian' ny fitenin' ny ray sy ny reny, izay nisafidy ny tsy hampita izany amin' ny zanany. Ny fananana ny fiteny indôneziana ho fiteny nibeazana dia tsy sakana amin' ny fahazoana ny fitenim-paritra, amin' ny ankapobeny ny an' ny toerana nahalehibe ny zaza. Na izany aza dia maro anisa ny olona mahay fiteny maro any Indônezia.

Jereo koa

hanova