Halatra omby eto Madagasikara
Ny halatra omby eto Madagasikara dia heloka bevava tanterahina eto Madagasikara, izay ahitana fakana ny ombin' ny olona hafa amin' ny fomba helohin' ny lalàna, ka izany dia mety hotanterahin' ny olona iray ho an' ny tenany na hamidiny indray, mety hotanterahina ho an' ny olon-kafa mba hahazoana karama, mety hotanterahin' olona maro voalamina izay manafika eny an-kijana na eny an-tanàna mba hahazo omby maro. Atao hoe dahalo ny mpangalatra omby izay tsy mpangalatra tsotra mandeha irery intsony fa matetika no andian' olona voalamina sady mitam-piadiana, miasa amin' ny fomba voarindra ary mampihorohoro sy mamono vahoaka.
Matetika ny faritra be fahantrana indrindra sy any amin' ny tanàna ambanivohitra eto Madagasikara no tena anjakan' ny halatra omby nefa ny olona misehatra amin' io asa ratsy io dia hita hatrany amin' ny renivohitr' i Madagasikara[1]. Lasa fomba fiveloman' ny olona sasany na lasa endrika valifaty eo amin' ny fiarahamonina ny halatra omby. Matetika no tsy voasazy ny mpangalatra noho ny tsy fahampian' ny fitaovana ampiasain' ny mpitandro filaminana sy ny kolikoly ary ny fitarazohan' ny raharaham-pitsarana.
Mampitombo ny disadisa momba ny fahafaha-mahazo loharanon-karena ny haintany miverimberina sy ny fahapotehan' ny kijana ary izany dia mety hanosika ny olona sasany hanao ny halatra omby ho asa fivelomana.
Jereo koa
hanovaRohy ivelany
hanova- "Halatra omby: tambazotra mafy orina ao Analamanga", in www.malina.mg, 15 Febroary 2021.
- "Simban' ny kolikoly ny dinan' Ihorombe", in www.malina.mg, 14 Mey 2021
- "Halatra omby Tena misy ireo zandary tratra nifandray tendro tamin’ny dahalo", in www.tiatanindrazana.mg, 11 Janoary 2019.
- "Halatra omby, Kolikoly avo lenta, anjakan' ny dahalo ambony latabatra ny tanàna" in www.biblio.micc.gov.mg, 17 Novembra 2022
- "Ny fanjakana no nampiofana ny dahalo", in www.madagascar-tribune.com, 3 Marsa 2008
- "Sakaraha : Halatra omby, Novain' ireo dahalo ny volon' omby", in www.madagascar-tribune.com, (tsongan-tsiratra avy amin' ny Madagascar-Tribune.com)
- "Les pratiques traditionnelles au service des paysans pour la prévention des vols de zébus. L’exemple du tatao et du tsitsika dans le district de l’Isandra, Haute Matsiatra", in madarevues.recherches.gov.mg,
- "La problématique de l'application du droit en matière de vol de boeufs à Madagascar" (1787-1960)", in madarevues.recherches.gov.mg
- "Lalàna n° 2001-004 tamin' ny 25 oktobra 2001 anaovanana fitsipika ankapobe mifehy ny Dina eo amin' ny lafin' ny fandriampahalemam-bahoaka", in jwf-legal2.fr.gd
- "Loi n° 2001-004 du 25 octobre 2001 portant réglementation générale des Dina en matière de sécurité publique", in jwf-legal2.fr.gd
- "Bongolava-Tsiroanomandidy – Halatr' omby", in www.matin.mg, 19 Avrily 2021
- "Morarano Kraoma: tratra ireo jiolahy mpangalatra sy mpanadio omby halatra", in newsmada10.rssing.com, 21 Janoary 2020
- "Fikambanan' ny dahalo rava, 7 lahy saron' ny zandary", in www.agencemalagasydepresse.com, 03 Aogositra 2020.
- "Akon' ny taona 2016 tao Boeny – Omby miisa 7 720 no very, olona 126 voarohirohy", in www.matin.mg,
- "Ambatofinandrahana: Takian' ny dahalo 100 000 ariary isan' mby ny tompony", in www.lagazette-dgi.com
- "Dinan' i Melaky tsy mimpoly" (PDF), in www.academia.edu
- "Ny Fitsarana eto Madagasikara, mila ezaka mafy ny hamerenana ny fitokisan' ny vahoaka hiala amin' ny fitsaram-bahoaka", in www.radiorvs.net,
- "Raharaha dahalo Remenabila sy Tokanono", in gazetyavylavitra.wordpress.com
Loharano sy fanamarihana
hanova- ↑ "Halatra omby: tambazotra mafy orina ao Analamanga", in www.malina.mg, 15 February 2021.