Jôtama

(tonga teto avy amin'ny Jotama)

I Jôtama dia mpanjakan' i Jodà tamin' ny taonjato faha-8 tal. J.K., zanak' i Ozia (na Oziasa) tamin' i Jerosa zanakavavin' i Zadôka (na Sadôka) sady rain' i Ahaza (na Akaza). Nanomboka nanjaka izy tamin' ny faha-25 taonany ka nanjaka nandritra ny 16 taona teo anelanelan' ny taona 742 sy 735 tal. J.K. Nanomboka tamin' ny nahavoan' ny habokana an-drainy dia nanapaka an' i Jodà fahavelon-drainy izy. Ny taona 735 tal. J.K. no nanonganan' ny mpanohana ny Asiriana azy ka nanangana an' i Ahaza (na Akaza) zanany hisolo azy. Maty tokony tamin' ny taona 731 tal. J.K. izy.

Ny anarany hanova

Atao hoe יוֹתָם / Yōṯam izy amin' ny fiteny hebreo fa Ιωαθαμ / Ioatham amin' ny fiteny grika ary Joatham amin' ny fiteny latina.

Jereo koa hanova

Mpanjakan' i Jodà

Saoly - Isbôseta - Davida - Sôlômôna (na Salômôna) - Rehôbôama (na Rôbôama) - Abiama (na Abia) - Asa - Jôsafata - Jehôrama (na Jôrama) - Ahazia (na Ôkôziasa) - Atalia - Jôasy (na Jôasa) - Amazia (na Amaziasa) - Ozia (na Oziasa na Azaria na Azariasa) - Jôtama - Ahaza (na Akaza) - Hezekia (na Ezekiasa) - Manase - Amôna - Jôsia (na Jôsiasa) - Jôahaza (na Jôakaza) -Jôiakima (na Jôakima) - Jôiakina (na Jôasina na Jekônia na Jekôniasa) - Zedekia (na Sedekiasa).