Jehôrama (mpanjakan' i Jodà)

(tonga teto avy amin'ny Jehorama (mpanjakan'i Jodà))

I Jehôrama na Jôrama dia mpanjakan' i Jodà nandritra ny valo taona tamin' ny tenantenan' ny taonjato faha-9 tal J.K. Zanak' i Jôsafata mpanjaka izy. Tsy tokony hafangaro amin' i Jehôrama (na Jôrama) mpanjakan' i Israely avaratra izy. I Atalia, izay lasa mpanjakavavin' i Jodà taty aoriana, no vadiny ka niterahany ny mpanjaka Ahazia (na Ôkôziasa) sy i Jôseba.

Ny anarany hanova

Amin' ny teny hebreo dia יְהוֹרָם / Yehôrām fa amin' ny teny grika dia ᾿Ιωρὰμ / Iôram ary amin' ny teny latina dia Ioram. Manoratra hoe Jehorama ny Baiboly prôtestanta amin' ny teny malagasy fa ny Baiboly katôlika amin' ny teny malagasy kosa dia manao hoe Jôrama.

Jereo koa hanova

Mpanjakan' i Jodà

Saoly - Isbôseta - Davida - Sôlômôna (na Salômôna) - Rehôbôama (na Rôbôama) - Abiama (na Abia) - Asa - Jôsafata - Jehôrama (na Jôrama) - Ahazia (na Ôkôziasa) - Atalia - Jôasy (na Jôasa) - Amazia (na Amaziasa) - Ozia (na Oziasa na Azaria na Azariasa) - Jôtama - Ahaza (na Akaza) - Hezekia (na Ezekiasa) - Manase - Amôna - Jôsia (na Jôsiasa) - Jôahaza (na Jôakaza) -Jôiakima (na Jôakima) - Jôiakina (na Jôasina na Jekônia na Jekôniasa) - Zedekia (na Sedekiasa).