Impoinimery na Impoinimerina na Rehandry II dia mpanjakan' ny Bara Imamono, nandimby an' i Rehandry rainy (izay atao hoe Lehimanjaka koa).

Tamin' ny 1873, roa taona talohan' ny nahafatesan' i Lehimanjaka rainy, dia nanafika ny Sakalava sy ny Merina tany Mahabo i Rehandry II ka nahazo babo omby an'arivony tany. Nandefa miaramila arivo lahy nanenjika ny Bara ny Merina teo ambany fifehezan-dRabebosika nefa resin' ny Bara ka nandositra.

Taorian' izay indray dia nitondra tafika marobe sady tsara fiadiana Ravoninahitriniarivo 15 voninahitra. Tsy namely ny Bara avy hatrany Ravoninahitriniarivo fa nampiantso ny mpanjaka Bara rehetra ka nifampidinika taminy. Vita ny raharaham-pihavanana ary nanaiky an-dRanavalona ho mpanjakan' i Madagasikara ny Bara sady nanonitra ny omby nalainy tany Mahabo. Natao ny velirano ary nisy lamba landy tsara tarehy avy tamin-dRanavalona nomena ny mpanjaka bara. Koa tamin’ ny 09 Septambra 1873, dia nanoratra taratasy tany amin-dRanavalona II izay tany Fianarantsoa tamin' izay Ravoninahitriniarivo, nilaza taminy fa mandry ny tany any Bara. Niverina nankany Antananarivo Ravoninahitriniarivo ary nisy zanaka mpanjaka roa nalefan' ny Bara hianatra any Antananarivo.

Tsara fihavanana tamin' ny goverinora merina tao Toliara Impoinimerina. Niady tamin’ ny Bara Ambiliony tao Sakaraha sy tamin’ i Tompomanana mpanjaka masikoro tao Manombo koa izy (1894).

Taorian’ ny niakaran' ny Frantsay dia voatendry ho goverinoran' ny distrikan' Ankazoabo Impoinimery. Nifankahazo tsara tamin' ny Frantsay izy. Tamin' ny taona 1909 Impoinimery no niamboho.

Jereo koa hanova

Mpanjaka bara: