Ratsimivily dia mpanjakan’ ny Bara Imamono. Izy no mpanjaka nahatonga ny Bara Imamono ho fanjakana nahery indrindra tao amin’ ny samy Bara. Tao Anjia tao amoron’ny reniranon' Ihosy izy no nipetraka voalohany. Natosik’ i Retsila zana-drahalahiny niala tao izy ka voatery nikisaka niankandrefana nanatona tany tsara kijan’ omby natao hoe Tsimamonolongo. Nampanaiky an’ i Sahamavaka sy Ilovo izy. Andriamanalina no anarana niantsoana azy taorian’nv nahafatesany.

Taorian’ ny niorenan’ny Bara Imamono tany Ankazoabo dia napetrak' i Ratsimivily tao Lamatihy ny Bara Zafindravola izay avy tany Ivohibe ary ny Bara Vinda avy tany Betroka sy Benenitra napetrany tany amoron’ i Taheza. Nandimby an-dRatsimiviiy rainy Rehandry.

Jereo koa hanova

Mpanjaka bara: