Ramitongoa dia mpanjaka bara nanjaka nandimby an' Andriamanafotsarivo rainy tao Ranotsara Avaratra taorian' ny nandreseny an-dRatsimive rahalahin-drainy.

Andriamanafotsarivo rain-dRamitongoa dia mpanjaha tao Ranotsara Avaratra. Tsy nonina tao Ranotsara Ratsimive zandriny fa lasa nipetraka tany amoron’ Ionaivo. Taty aoriana anefa dia niady tamin-jokiny Ratsimive mba handray ny fanjakana ka resy Andriamanafotsarivo dia nandositra tany amin' ny Tanala. Rambahira vadin’ Andriamanafotsarivo niantso ny Sakalava havany tany Betsiriry hanampy azy amin' ny fanafihana an-dRatsimive. Tamin' izay ady izany dia matin-dRamitongoa i Ratsimive. Tafaverina teo amin' ny fitondrana tao Ranotsara indray ny rainy.

Nandimby an' Andriamanafotsarivo i Ramitongoa taty aoriana, nefa noho izy nahery setra dia tsy tian’ ny vahoaka ka naongany. Rehefa niala Ramitongoa dia Rakitroka Ratsileondrafy rahalahiny no nandimby azy

Jereo koa hanova

Mpanjaka bara: