Ny velirano dia fianinana atao ampahibemaso mba tsy hampisy ny hitsoaka amin'ny zavatra nifanarahana, amin'ny baiko nekena fa hotanterahina. Tamin'ny vanimpotoana faha mpanjaka dia maha tapa-dohany fivadiham-belirano.

Ny fomba fanao amin'ny velirano

hanova

Velirano tsy hivadihana amin'ny mpanjaka merina

hanova

Alaina ny tsindridritra, sy ny tainaomby very reny, sy ny hazo mihena, sy ambiaty sokoka, ka ny ambiaty hiany no atao hazo mihena dia atao maromaro, ny laingon’ambiaty hotanany lohandohany amy ny olona hivelirano, dia alaina koa ny valala miolan- katoka, sy ny lambamboka sy ny mondron-kifafa, sy ny fako am-bavahady, sy ny akofam-bary, Ary reha vory izany zavatra izany, dia entina atao aminy rano ritra raha lohataona, aminy tany fivelezan-drano, dia miangona ny olona rehetra hivelirano, ka ny lohandohany rehetra aminy olona hivelirano, Mitana ilay laingon’ambiaty atao hoe hazo mihena, ary ny maro dia mifampitan-tsoroka, dia miteny ny Irak’Andriana manao hoe,

"Indreo hianareo mbieto andranomalahelo, fa homeko ny velirano. fa izany no nentina namory sy manangona, ary nentina nampandry ny tany, sy ny fanjakana handriany vady, handriany zanaka hoy ny Manjaka, ho entina manompo sy manamasina ahy, Ka izao hianareo izao, fa ato ny ranoritra, ato ny tsindridritra, ato ny tainaomby verireny, ato ny ambiaty sokoka, ato ny hazomihena ato ny valala miolan-katoka, sy ny lambam-boka sy ny mondron-kifafa sy ny fako ambavahady sy ny akofam-bary, ka tsy atao tsy mahefa ny taminy Andriamanjaka tao aloha, tsy atao tsy mahavita izay, fa mahefa izay sy mahahavita fa atao fanampiny, entina manamafy izay. Koa izao hianareo izao, ka hanana Andrian-droa, hanana Andrian-telo dia tononina ny anaran’Andriana, fa tsy Ranona no ho tompoina, sy ho hasinina, sy handrianina, mandrakizay, mandrakizay, mandrakizay doria, mandrakizay alaovalo, mandrakizay antaranoana, dia reseny ity velirano masina ity hianareo."

"Eny" hoy ny olona rehetra.

"Indrindra izao hianareo izao, ka hisaraka Andriana amin’Ambohimanga sy Antananarivo, mandrakizay, mandrakizay, mandrakizay doria, mandrakizay alao­valo, mandrakizay antaranoa. Raha hanao izany hianareo dia reseny ity velirano masina ity."

"Eny" hoy ny olona rehetra.

"Indrindra izao hianareo, ka tsy ny terad’Rasoherina, sy Ralesoka no han­drianina, sy ho tompoina sy ho hasinina mandrakizay mandrakizay, mandrakizay doria, mandrakizay alaovalo, mandrakizay antaranoa, Raha hanao izany hianareo, Dia reseny ity velirano masina ity hianareo."

"Eny" hoy ny olona rehetra.

"Izao hianareo izao, sangy manan-tsakaiza tiana, manana olon-tiana, ka hanao ampifam-katiavana, hanao ampihiavanana, indrindra ka ho azon-tambim-bola, amankarena, na homen’olona vola be aza, na ho tambazan’olona fananana be aza, na hataony ampatsifatsy aza, na hataony ambalamena aza, na homeny antsa aza, na homeny antsiva aza, na hataony tsy mandeha rà aza, na dia hataony An­driana aza, fa tsy Ranona noho tompoina, dia tononiny anaran’Andriana, ka tsy izy no handrianina, sy hohasinina, fa hanao Andrian-kafa hianareo, mandrakizay, mandrakizay, Raha hanao izany hianareo Dia reseny ity velirano masîna ity hianareo."

"Eny" hoy ny olona rehetra.

"Izao hianareo izao koa, ka avy ny tsy mety atao amy ny Manjaka, sy ny tsy mety atao amy ny fanjakany, ka sangy tezeran’Andriana, na holanim-bady aza, na holanin-janaka aza, na ho lanim-pananana aza, na dia ho tapahin-doha aza, ka ny sisa tsy maty, ka hanao lolompo amin’Andriana, ka hanao levenanovy, hanao voami- vonto hanao farimitetireny, hanao kabary ambony vavadahy, fa tsy izay hahamasina ny Andriamanjaka nohatao, tsy izay hanompoana azy no atao, fa hitady izay tsy haha­masina azy sanatria ny vava ka hitady izay tsy hanjakany, Raha hanao izany hianareo, Dia reseny ity velirano masina ity hianareo,"

"Eny" hoy ny olona rehetra.

"Izao hianareo izao, ka sangy kabarin’Andriana, sangy sazen’Andriana, na dia holanim-bady aza, na dia holanin-janaka aza, na ho lanim-pananana aza, nadia ho tapahin-doha aza, ka ny sisa tsy maty, ka handao ny Andriamanjaka, indrindra ka handao an’Ambohimanga sy Antananarivo, handositry ny Andriamanjaka, ka hitana manda mafy hitana tsingy mafy, hitana harambato mafy, hanantena zoma be hanantena ala be, hanantena lakato mafy, ka hanangana Andrian-kafa, hanohitra an’Ambohimanga, sy Antananarivo ka hanondro basy an’Ambohimanga sy Antananarivo, hiady aminy Merin’Andriana, ka hanohitry ny Ambaniandro, Raha hanao izany hianareo, dia reseny ity velirano ma­sina ity hianareo. Eny hoy nv olona rehetra. Izao hianareo izao, ka hitady hamono Andriana, ka hanao lefompohy, hanao lefon-dava, hohentina mamono Andriana indrindra ka hitifitra antsaha hiti­fitra antanana, hitifitra andrano, hitifitra alatrano, hitady izay hahafohy fiainana Andriana sanatria ny vava indrindra ka hamosavy Andriana hanao odimahery, hanaody ratsy, ho entina mekendry Andriana, Raha hanao izany hianareo dia reseny ity velirano masina hianareo."

"Eny" hoy ny olona rehetra.

"Izao hianareo izao koa, ka sangy lehibe sangy mahafehy olona, sangy eken’olon-teny; sangy mahinam baoaka, sangy beampirenena, ka handrendri-baoaka, hanodim-baoaka, hanome fo ny adala, hamoky ny hendry, hanimba tany hanimba fanjakana, handrava ny fanjakan’Andriana, fa tsy izay hamasina ny Andriamanjaka no hatao, fa hanangana Andrian-kafa, fa tsy Ranona no ho tompoina, dia tononina ny anaran’Andriana, tsy izy no ho hasinina mandrakizay, mandrakizay doria, Raha hanao izany hianareo, dia reseny ity velirano masina ity."

"Eny" hoy ny olona rehetra.

"Izao hianareo izao koa, sangy lehibe, sangy matoky Andriana azony ampo, ka irahiny hanao fanjakana any tany lavitra, ka mahita tany tsara, mahita fonenana tsara, mahita vohitra mafy, mahita olona maro hanompo; ka dia hitoetra, hitady ho Andriamanjaka handao ny Andriamanjaka tompoina, hanondro basy an’Ambohimanga sy Antananarivo, hiady amy ny Merin’Andriana, hanohitry ny Ambaniandro Raha hanao izany hianareo dia reseny ity velirano masina ity hianareo."

"Eny" hoy ny olona rehetra.

"Indrindra izao hianareo izao, ka hitady teny tsy voisa ka hitady teny tsy voatonona, ka hanao hoe izany tsy voisa teo ka hanao hoe izany tsy voatonona teo, kanefa fantatra fa fanota fady ny Manjaka, fantatra fa fanota fady ny fanjakana, fan­tatra fa tsy mety atao amy ny Manjaka, fantatra fa hisaràhana amy n’Ambohimanga sy Antananarivo, fantatra fa haharatsy ny tany sy ny fanjakana fantatra fa haharatsy ny Manjaka Raha hanao izany hianareo dia reseny ity velirano masina ity hianareo."

"Eny" hoy ny olona rehetra.

"Izao hianareo izao koa, ka hanao manga miolaka, hanao ampanolaka, hanao teny miolaka, hanao hoe, Izahay efa nilefona’omby, izahay efa mively rano, izahay efa misotro vokaka hianareo manao, kanefa fantatra fa haharatsy tany, sy fanjakana, fantatra fa hevi-dratsy amy ny jakan’Andriana hisaraha Andriana amin’Ambohimanga sy Antananarivo, indrindra ka hikiomy indrindra ka hangala, belirano hivelirano takona, hivelirano mangina, in­drindra ka hanao izay tsy hahamasina ny Andriamanjaka, ka hanaratsy tany hanaratsy fanjakana hanimba tany, hanimba fanjakana indrindra ka hanangana Andrian-kafa indrindra ka hikiobaka ny fanjakan’Andriana hampangorohoro ny fanjakana ka hampitsangambolo any Merina, Raha hanao izany hianareo na ny manatrikia na ny tsy manatrikia, dia reseny ity velirano masina ity hianareo."

"Eny" hoy ny olona rehetra.

"Ary izao hianareo rehetra izao, na ny manatrika na ny tsy manatrika, na ny zaza any ambohokaza ka izay mamadika izao teny voisa izao, ka manova izao teny voatonona, ka odimahery nohantenaina, ho entina manova izao teny voisa izao, ody sahato no hantenaina, ody aniana no hantenaina, fanala lefonomby, fanala veli­rano fanala vokaka, nohoentina manova sy mamadikia izao teny izao ka raha hamadika izao teny izao hianareo iantsoan-kasina hanatrikia, sy hanoloana ity velirano masina ity. E Andriamanitra E Andriananahary, E ny hasiny tany ny hasiny lanitra, E ny hasiny Masoandro sy ny volana, E ny hasiny roambinifolo Manjaka, ka ny hasiny tendrombohitra roambinifolo ny hasiny any Ampandrana, ka ny any Alasora, ny any Merimanjaka, ny hasiny any Ambohidrabiby ka ny hasiny ao Antananarivo, ny hasind’Radama Manjaka, ny hasiny any Ambohimanga, fa ao Andriantsimitoviaminandriana, Andriambelomasina, Andrianampoinimerina, namory any Merina ny hasind’Rabodonandrianampoinimerina ny hasiny any Ambohidratrimo, ny any Ilafy, ny any Namehana, ny hasin’ i Kelimalaza, Ifantaka, Imanjakatsiroa ny hasiny izao zavatra masina ambony tany ambany lanitra izao, Izay mamadika izao teny izao, Fofosa rita, aza manam-para handimby dia velezina ny ambiaty ny rano, dia poahana, basy iray vava asiana bala eo amy ny rano velezina ka atao hoe, izany mamadika izay teny izay, matesambasy tokana."

Vita ny Velirano[1]

Ohabolana

hanova
  • Ny andriana matoky ny velirano, fa ny mpanompo matoky ny fatidra.

Jereo koa

hanova

Loharano

hanova
  1. Document historique de Madagascar de Vatolahy de Renibedia
 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.