Ramieba dia mpanjaka bara, zanak' i Tonanahary, rahalahin-dRetsila, nanjaka tamin’ ny Bara Be tao Ihosy. Nanao raharam-pihavanana tamin' ny Merina ary nitondra koa an' i Ranohira taorian’ ny nahafatesan' Ikanapaka zanak' i Retsila. Mafy dia mafy koa ny fanoheran-dRamieba ny Frantsay. Intelo voasambotra izy kanefa afaka nandositra hatrany sady nahataona olona maro hiara-manohitra aminy. Nony voasambotra faninefany izy dia notifirin’ ny miaramila Frantsay avy hatrany.

Jereo koa hanova

Mpanjaka bara: