Rakitroka Ratsileondrafy
Rakitroka Ratsileondrafy dia mpanjaka bara zafimanely, rahalahin-dRamitongoa, zanak' Andriamanafotsarivo. Izy no nandimby an-dRamitongoan izay naogan' ny vahoaka noho ny herisetrany. Mpiady mahery Rakitroka Ratsileondrafy.
Nanafika ny Tsienimbalala i Rakitroka ka naharesy sady betsaka ny olona sy ny omby azony babo. Niteraka dimy lahy Rakitroka, dia i Tonanahary, Ratsimamotoa, Ratsimivily, i Andriamanely ary Ramifoky. Samy nanorina fanjakana ireo zanany dimy ireo. Noho ny ady an-trano nifanaovan' izy mirahalahy anefa dia nalemy ireo fanjakana ireo.
Ireto avy ny fanjakana natsangan' ny zana-dRakitroka:
- i Tonanahary, nanorina ny foko Bara Be sy nanjaka taminy;
- Ratsimamotoa, nanorina sy nitondra ny foko Bara Iantsantsa;
- Ratsimivily, nanorina sy nitondra ny Bara Imamono;
- i Tsimiovy na Andriamanely nanjaka tamin' ny Bara Manandàna;
- Ramifoky na Rafoga nanjaka tamin’ ny Bara Mananantanana.
Jereo koa
hanovaMpanjaka bara:
- Andriamanafotsarivo - Andriamanely - Imasoandro - Impoinimery - Isambo - Rabararatavokoky - Rainibahy - Rakanjobe - Rakitroka Ratsileondrafy - Ramieba - Ramitongoa - Rapapango - Ratsimamotoa - Ratsimivily - Ravatoverere - Rehandry - Retsila - Tonanahary - Tsimanompo