Ny fiteny italika dia vondrom-piteny ao amin'ny fianakaviam-piteny indô-eorôpeana izay mizara ho sampana roa, dia ireo fiteny latiniana (na latino-faliska) sy ireo fiteny ôsko-ômbriana.

Fiteny latinianaHanova

Ireto ireo fiteny latiniana na latino-faliska: ny fiteny latina, ny fiteny faliska, ireo fiteny rômana (fiteny sarda, fiteny romaniana, fiteny dalmatika, fiteny italiana, fiteny espaniola, fiteny ladino, fiteny pôrtogey, fiteny frantsay, fiteny ôksitana, fiteny katalana, fiteny rômantsa, fiteny ladîna, fiteny friôlana), sns.

Fiteny ôsko-ômbriana na fiteny sabelikaHanova

Ireto ireo fiteny ôsko-ômbriana na sabelika, izay ahitana fiteny tsy misy mampiasa intsony, dia: ny fiteny ôska sy ny fiteny ômbriana ary ny fiteny maro hafa koa.