Fiteny malagasin' ny afovoan-tany

Ny fiteny malagasin' ny afovoan-tany dia vondrona fitenim-paritra malagasy ampiasain' ny Malagasy monina ao amin' ny lembalemba afovoany eto Madagasikara, izay mamondrona ny fiteny antemoro, ny fiteny antambahoaka, fiteny betsileo, ny fiteny bezanozano, ny fiteny merina, ny fiteny sihanaka, ny fiteny sihanaka, ary ny fiteny tanala. izay samy ao anatin' ny fitenim-paritra malagasy tatsinanana. Ny fiteny malagasy ôfisialy dia manakaiky an' ity vondrom-pitenim-paritra ity.

Sarin-tany maneho ny faritra misy ny fitenim-paritra eto Madagasikara

Ireo fitenim-paritra ao anatin' ny fiteny malagasin' ny afovoan-tany hanova

Ny fiteny antemoro hanova

Ny fiteny antemoro dia tetenina any amin' ny faritra misy ny Antemoro, ao amin' ny faritra Vatovavy-Fitovinany, eo anelanelan' ny renirano Namorona sy ny renirano Manampatrana.

Ny fiteny antambahoaka hanova

Ny fiteny antambahoaka dia tetenina any amin' ny faritra misy ny Antambahoaka, ao amin' ny morontsirana atsimo-atsinanan' i Madagasikara, tsy lavitra an' i Mananjary, eo anelanelan' ny Betsimisaraka ao avaratra, ny Tanala ao andrefana, ny Antemoro ao atsimo.

Ny fiteny betsileo hanova

Ny fiteny betsileo dia fiteny malagasy tetenina any amin' ny faritra misy ny Betsileo: faritan' ny ony Mania ao avaratra, ny tanin' ny Tanala ao atsinanana, ny tendrombohitr' Andringitra ao atsimo, ary ny tandavan-tendrombohitr' i Bongolava ao andrefana.

Ny fiteny bezanozano hanova

Ny fiteny bezanozano dia fiteny malagasy any amin' ny faritra misy ny Bezanozano: voafaritry ny tany onenan' ny foko Sihanaka ao avaratra, ny Betsimisaraka ao atsinanana, ary ny Merina ao andrefana.

Ny fiteny merina hanova

Ny fiteny merina dia fiteny malagasy tetenina any amin' ny faritra misy ny Merina: ao afovoan' i Madagasikara, eo amin' ny faritra Analamaga sy ny manodidina, eo amin' ny tampon-kavoana voafaritry ny tanin' i Vonizongo ao avaratra, ny tendrombohitr' Ankaratra ao atsimo, ny reniranon' i Sakay ao andrefana, ary ny tandavan-tendrombohitr' Angavo ao atsinanana.

Ny fiteny sihanaka hanova

Ny fiteny sihanaka dia fiteny malagasy tetenina any amin' ny faritra misy ny Sihanaka: manodidina ny farihin' Alaotra, voafaritry ny renirano Bemarivo ambony sy Tampoketsa Atsimo ao avaratra, ny renirano Mahajamba ambony ao andrefana, ary ireo havoana misy ny Bezanozano sy ny ala ao atsinanana.

Ny fiteny tanala hanova

Ny fiteny tanala dia fiteny malagasy tetenina any amin' ny faritra misy ny Tanala: faritra misy ny havoanan' Ikongo, voafaritry ny tanin' ny Betsileo ao andrefana, ny Betsimisaraka sy ny Antambahoaka sy ny Antemoro ary ny Antefasy ao atsinanana, ary ny ony Manampatrana ao atsimo.

Jereo koa hanova

Fiteny malagasy