Andringitra dia tangoron-tendrombohitr' i Madagasikara, ao amin' ny tapany atsimon' ity nosy ity, 120 km avaratry ny zana-pehin-tany Adijady, 100 km miala ny Ranomasimbe Indiana. Mitandavana avy avaratra mianatsimo io tangoron-tendrombohitra io. Maharatra 62 km ny halavany ary 3 km ny salan-tsakany (10 km izany eo afovoany). Miovaova eo anelanelan' ny 500 sy 2 658 m ny haambony. Ny tendrombohitra Boby, izay mahatratra haambo 2 658 km no tendro avo indrindra ao amin' ity tangoron-tendrombohitra. Ao amin' ny tendrony atsimo no misy ny tendro Ivohibe izay mahatratra 2 069 m. Nampidirina ho anisan' ny valan-javaboarim-pirenena Andringitra tamin' ny taona 1999 ary lasa vakoka voajanahary iraisam-pirenena ao amin' ny lisitry ny UNESCO tamin' ny 2007.

Ny tangoron-tendrombohitra Andringitra, jerena vao mangiran-dratsy

Jereo koa

hanova