Ny fiteny kibosy na fiteny sibosy na fiteny bosy dia fiteny ao Mayotte tenenin' ny olona miisa 47 900 tamin' ny taona 2012. Izy no fitenin-dreny faharoa ao amin' io nosy io izay manao ny fiteny frantsay ho fiteny ôfisialy. Endriky ny fiteny malagasy ny fiteny kibosy ka anisan' ireo fiteny malaiô-pôlineziana ao amin' ny fianakaviam-piteny aostrôneziana. Manakaiky ny fiteny malagasy tenenina any amin' ny faritra avaratra-andrefana amin' i Madagasikara (Antsiranana sy Mahajanga) ny fiteny kibosy. Endriky ny fiteny kibosy ny fiteny kiantalaotsy sy ny fiteny kibosy kimaôre.

Ireto ny tanàna sasany ao Mayotte itenenana kibosy: Bambo-Est, M'Bouini (na M'Boueni), Passi-Kéli, M'Ronabéja, Kani-Kéli, Chirongui, Poroani, Ouangani, Chiconi, Sohoa, M'Tsangamouji, M'liha, Acoua, Mtsangadoua, Hamjago, Dapani, Mtsamoudou.

Jereo koa hanova