Ny fiteny sôngay na fiteny sônray dia fiteny nilô-sahariana ampiasain' ny mpiteny miisa 9 tapitrisa any amin' ny firenen' i Afrika Andrefana. Mampiavaka ny fiteny sôngay ny fisian' ny vondrom-pitenim-paritra maro, ary ny ankamaroan' ny mpapiasa azy dia any amin' ny ony Niger. Any andrefana any amin' ny hefaka anatiny any Maly, any avaratra amin' i Borkina Fasô (Falagountou), any amin' ny ilany andrefan' i Nizera, any avaratra-andrefana amin' i Nizeria ary any avaratra amin' i Benîno. Tany amin' ny faran' ny taonjato faha-19 dia nisy fitenim-paritra sôngay antsoina hoe fiteny emgadesy no nampiasaina tao an-tanànan' i Agadez (tanàna lehibe indrindra any amin' ny tapany avaratra amin’ i Nizera, eo anelanelan’ i Sahara sy Sahel). Farany, any avaratra kokoa any amin' ireo ôazisy ao Tabelbala (any Alzeria), dia misy fiteny ampiasaina izay manana firafitra sôngay nefa mampiasa voambolana arabo sy berbera betsaka.

Fanasokajiana hanova

Ny fiteny sôngay dia sokajiana ao amin' ny fianakaviam-piteny nilô-sahariana. Ny fifandraisan' ny fiteny sôngay amin' ny fiteny hafa ao amin' ity fianakaviana ity dia iadian-kevitra, na izany aza, ny mpikaroka sasany dia mampanakaiky azy io amin' ny fiteny mande (an' ny fianakaviamben' ny fiteny nizera-kôngô) izay misy fitoviana lehibe amin' ny rafitra, nefa ny mpahay teny hafa mampifandray izany amin' ny fiteny hamitô-semitika indrindra fa ny fiteny berbera sy ny fiteny semitika izay misy fitoviana lehibe momba ny voambolana, izany dia tsy mikasika fotsiny ny indran-teny mahazatra amin' ny fiteny semitika, indrindra fa ny fiteny arabo, fa koa ny saham-boambolana manontolo amin' ny voambolana fototra. Ny fitoviana dia mahakasika ny fiteny semitika taloha sy taoriana ary ny fiteny berbera sy ny fiteny etiôsemitika, ny fiteny kositika, ny fiteny ejipsiana taloha. Mihoatra ny 1 400 ny teny iditra hamitô-semitika, ka ny 600 amin' ireo dia voamarika amin' ny fitenim-paritra sôngay samihafa.

Ny fiheverana fa ny fiteny sôngay dia teraka avy amin' ny fanatsorana ny fiteny hamitô-semitika taloha izay manondro indrindra ny fiteny berbera sy ny fiteny semitika amin' ny rafitra an' ny fiteny nilô-sahariana dia mandroso ankehitriny.

Sampany hanova

Sampam-piteny sôngay avaratra:

Sampam-piteny sôngay atsinanana:

Jereo koa hanova