Ny fiteny tamaseka dia fiteny toarega ampiasain' ny Toaraga any Maly indrindra, izay antsoina koa hoe fiteny tamasena, tamasekina, tômaseka, tamasagta na toarega. Olona miisa 500 000 any ho any no miteny tamaseka, anisan' izany ny olona 378 000 ao Maly (2014). Ampianarina any amin' ny sekoly ambaratonga fototra maliana izy io, ary amporisihin' ny governemanta amin' ny alalan' ny fampianarana ny olon-dehibe. Izy io dia ampiasaina ho fiteny faharoa ho an' ny mpampiasa ny fiteny sôngay kôira siiny, kôirabôrô seny, ary tadaksahaka